Ratsy fiafara, niafara tamin’ny faty olona ny lanonam-pamaranana ny « Kopi Kolé » sy ny fanamarihana faha-5 taonan’ny fahitalavitra TV Plus Toliara, ny zoma hariva teo, tany Toliara. Folo minitra taorian’ny fiafaran’ny fety, dia nisy ny fifanosehana teo amin’ny vavahady fivoahana ny kianja mitafo ao Tsienengea. Olona miisa 17 tonga nijery an’ity fifaninanan-kira malaza ity no naratra mafy voahitsakitsaka, ary tsy tana intsony ny ainy telo tamin’ireo rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Misy amin’ireo naratra no mbola manaraka fitsaboana ankehitriny. Vono olona niniana natao ! Raha ny fanazavana azo, dia ahiana ho resaka fanakorontanana sy vono olona niniana natao no nitranga, satria nahitana tsindrona zava-maranitra maromaro teo amin’ny vatany iray tamin’ireo telolahy namoy ny ainy. “ Nisy andian-jatovo ninia nanakorontana ny lanonana, ka nampiasa “big boss” mihitsy. Hasomparana nataon’ireo tsy mataho-tody izao mba hanosoram-potaka ny TV Plus, satria tia mifety Toliara “, hoy ny depiote Siteny Andrianasoloniaiko, tompon’andraikitra voalohany TV Plus Toliara. Manoloana an’ity voina tranga mahonena ity, dia mangataka fanadihadiana manokana hahafantarana ny tena zava-nisy marina ny fianakavian’ireo maty havana.
Eric Manitrisa