- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamatsiana solika : Ho tonga anio zoma amin’ny 6 ora ny sambo...

Famatsiana solika : Ho tonga anio zoma amin’ny 6 ora ny sambo hitondra izany

Niteraka filaharam-be tao Antananarivo sy filaharana ihany teto Toamasina ny olana ara-tsolika misy eto amintsika ankehitriny. Raha ny marina raha ny angom-baovao natao dia ny 15 oktobra teo no tokony efa ho tonga teto Toamasina ilay sambo mitondra ny solika ho an’i Madagasikara, dia noho ny olana ao “moyen orient” amin’ny zava-misy any an-toerana izao, dia nisy fahatarana izany ka izao ho tonga anio zoma 25 oktobra 10 andro aty aoriana izao ny solika. Marina fa tokony hanana tahiry 15 andro ny mpaninjara solika raha ny lalana hoy ny fanazavana azo, saingy ilay 10 andro fahatarana fahatongavan’ny no olana amin’ny famatsiana solika eto amintsika satria ilay 15 andro tsy misy afaka manamarina ny tena fisiany marina. Raha angom-baovao hatrany dia anio zoma 25 oktobra amin’ny 6 ora no ho tonga hiantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mitondra izany solika izany, ka aorian’ny famindrana ireo solika ao amin’ny tobin-tsolika Galana Manangareza dia ho avy ny famatsiana ireo tombin-tsolika eto amintsika amin’izay. Raha ny fandaminana izany dia tsy tokony hisy olana ny famatsiana solika ny fiandohan’ny herinandro vaovao io eto amintsika indrindra fa ny ao Antananarivo nisiana filaharam-be.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici