- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFambolen-kazo Bongolava : 2000 Ha no horakofana amin’ity taona ity

Fambolen-kazo Bongolava : 2000 Ha no horakofana amin’ity taona ity

Adidy ho an’ny Tanindrazana ny mamboly hazo.

Ny alarobia lasa teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo any amin’iny faritra Bongolava iny. Lanonana notarihin’ny Governora mifehy izany faritra izany, ny Jly Ramiaramanana Joseph, niarahany tamin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandroana lovain-jafy ary ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana, na sivily na miaramila. « Araka ny Velirano fahafolon’ny Filoham-pirenena, ny amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara dia nanantanteraka izany izahay, teo anivon’ny faritra Bongolava. Isaorana eram-po eran-tsaina etoana ny Filoham-pirenena, ireo tompon’andraikitra isanisany fa indrindra ny vahoaka izay efa mahatsapa tokoa ny maha-zavadehibe izany fambolen-kazo izany », hoy ny lahatenin’Atoa Governora. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia tanjona ho amin’ity taona ity ny handrakotra hazo ny velaran-tany mirefy 2000 Ha any amin’iny faritra iny. Nahavelom-bolo tokoa mantsy raha ny ezaka vita tamin’iny taon-dasa iny, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Tratra tany amin’ny 90 isan-jato ny tanjona napetraka ary azo lazaina fa nahaomby hatrany amin’ny 80 isan-jato ireo zana-kazo novolena. Efa tonga saina sy liana ary resy lahatra amin’ny fambolen-kazo ny olona raha ny fanazavana azo. Raha tamin’iny taon-dasa iny mantsy dia voalaza fa ireo zana-kazo indray no tsy naharaka. Ho fisorohana an’izay dia efa niroso tsikelikely amin’ny fametrahana paik’ady matotra ireo tompon’andraikitra amin’izay. Heverina, hoy izy ireo, fa mbola hahomby kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny amin’ity taona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici