- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFambolen-kazo : Nanantanteraka ny azy ireo ihany koa ireo « guide »...

Fambolen-kazo : Nanantanteraka ny azy ireo ihany koa ireo « guide » miteny anglisy

Zana-kazo miisa 500 fototra no nambolen’ireo « guide » miteny anglisy, mpikambana ao amin’i Mega (Madagascar english speaking guides association), ny sabotsy lasa teo tetsy Ambatomirahavavy. Mankalaza ny dimy taona nijoroany tokoa ity fikambanana mpiseradia (guide touristique) ity amin’ity taona ity. Ny taona 2015 izy ireo mantsy no nijoro ara-dalàna izay ahitàna mpikambana hatrany amin’ny 52 any amin’izao, raha 30 tany am-boalohany. Hetsika maro no kasain’izy ireo tanterahana amin’izany fankalazana izany ary anisan’ny nisantarana izany ity fambolen-kazo ity. « Ny fikambanana, ankoatry ny hoe maha-mpiseradia azy izay dia tena miaro ny tontolo iainana sy ny zavaboahary, ary mandrisika ny olona amin’ny fiarovana sy fitandroana izany ». Mazava ho azy satria ireo mpizahantany tonga eto amintsika dia saika ireo zavaboahary : ny biby sy ny zava-maniry tsy dia fahita raha tsy eo amintsika no mahaliana azy ireo, ankoatry ny tantaran’ny toerana alehany. Hitohy amin’ny fanampiana ireo mpianatra any amin’iny faritra Andasibe iny ny hetsika fankalazana atao ary ho faranana amin’ny alim-pandihizana miavaka ny faramparan’ny taona eo. Ao anatin’izany anefa dia mikasa hanao fifampizarana traik’efa, fahaizana amam-pahalalàna amin’ireo « guide » naman’izy ireo hafa ny fikambanana. « Izany hoy izy ireo no atao dia mba ho fandraisana anjara amin’ny fametrahana ny tontolon’ny fizahantany amin’ny sehatra matihanina kokoa ». Marihana fa ireo mpikambana dia tsy tsy mitsahatra ny mianatra sy mivoatra hatrany amin’ny fandalinana ireo toe-tany eto amintsika, ny ala, ny biby, ny tantaran’i Madagasikara. Ary amin’izao dia fantatra fa mandalina momba ny sary sy ny vonjy voina ihany koa izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici