- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFambolen-kazo : Roa no maty tamin’ilay fiara nivadika

Fambolen-kazo : Roa no maty tamin’ilay fiara nivadika

Ankoatra ny maty dia nisy 13 naratra mafy.

Ny iray tanora izay tao anatin’ny delegasiona izay namboly hazo. Ny faharoa kosa dia ny mpamily mpanampy. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teo Andohasahamarina ny asabotsy lasa teo. Efa nitodi-doha hiverina ilay fiara no nivadika ambony ambany vokatry ny fandehanana mafy loatra. Noezahina navotana teny amin’ny toeram-pitsaboana ny ain’ireo naratra saingy namoy ny ainy ihany ny roa lahy vokatry ny fahavoazana mafy loatra. Ankoatra ny fahafatesana dia mbola misy 13 hafa koa maratra mafy. Tanora avy ao Talatan’Ampano Vohibato izy ireo ary avy amin’ny fikambanana Angady Mada sy tanora Zandry Gasy Sport (mpilalao kitra). Minisitra roa no indray nidina tany an-toerana omaly ary namangy ny mana-manjo no nitsidika ihany koa ireo izay mbola manohy fitsaboana. Nisy ny fandraisana an-tànana ny fitsaboana ireo marary izay iantohan’ny minisiteran’ny fahasalamana tanteraka. Nisy kosa ny fanampiana ny naratra sy ny mana-manjo avy amin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny minisitry ny tontolo iainana, izy ireo izay nidina teny an-toerana rahateo omaly. Raha tsiahivina dia fambolen-kazo izay nokarakarain’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena avy amin’ny talem-paritra ao Matsiatra-Ambony ity natao ity. Vokatry ny fandehanana mafy teny amin’ny lalam-pirenena hatreto no voalaza ho anton’ny loza. Nalama rahateo ny arabe vokatry ny rotsak’orana nentin’ny rivo-doza ary rehefa niampy tsy fitandremana dia nitera-doza avy hatrany tamin’ireo tanora notaterina ilay lozam-pifamoivoizana.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici