Ny fianakaviamben’ ny zandarimariam-pirenena no nanatontosa fambolen-kazo ny alakamisy 13 febroary, teo teny Maharemana Arivonimamo II. Lohahevitra tamin’ izany ny hoe « planter des arbres, c’ est penser à l’ avenir de nos enfants » na adika tsotra hoe « ny fambolena hazo dia fitsinjovana sahady ny ho avin’ ny taranaka aoriana »
Nitarika ny hetsika moa ny Jeneraly Randrianazary, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny Jeneraly Richard Ravalomanana, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, nombam-bady avy, notronin’ ireo kaomandin’ ny vondron-toby lehibe manodidina an’ Antananarivo(CIRGN Antana, CFS Ivato, FIGN).
ALEM