- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFambolen-kazon’ny Foloalindahy : Zana-kazo 10.000 fototra voavoly omaly

Fambolen-kazon’ny Foloalindahy : Zana-kazo 10.000 fototra voavoly omaly

Nosokafana omaly tetsy Tampoketsa, Ankazobe, ny fotoampahambolen-kazo 2024, ho an’ny teo anivon’ny Foloalindahy malagasy. « Foloalindahy mamboly hazo : mandray anjara amin’ny famerenana ny tontolo maitso amin’ny Firenena », izay no lohahevitra nentina nanantosa ity adidy masina ity ho an’ny Tanindrazana ity, izay nataon’ireo miaramila, notarihin’ny Minisitry ny Foloalindahy, Atoa Jeneraly Sahivelo Monja Lala Delphin. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ihany koa ny rahalahin’izy ireo ara-miaramila, ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenana sy ny polisim-pirenena, izay notarihin’Atoa Ministry ny Filaminam-bahoaka sy ny solon-tena avy amin’Atoa Ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena ary ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony, sivily sy miaramila avy tany an-toerana. Nantitranterin’ny Ministry ny Foloalindahy moa fa fanaovana adidy amin’ny maha-olom-pirenena no sady fanehoana ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana amin’ny fanantanteraha ny politika ankapoben’ny Fanjakana, izao fambolen-kazo izao. Marihana fa fanombohana ihany ity natao teny Tampoketsa ity fa ny tanjona ny handrakotra maitso ny velaran-tany 500 Ha, ao anatin’ny 100 andron’ny Foloalindahy, araka ny fantatra. Tamin’io fotoana omaly io moa dia zana-kazo manodidina ny iray alina fototra teo ho eo no voavoly ary niampy famavazana masomboly 250kg. Nandritra ny lahateniny ihany koa, ny Ministra dia nisaotra manokana ny ONG « Graine de vie » izay angady nanana ireo zana-kazo sy masom-boly ireto, izay fanomezana maimaim-poana vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Samy nandray anjara mavitrika tamin’ity fambolen-kazo ity avokoa moa ireo rehetra tonga teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici