- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamingavingana zandary : Nadoboka am-ponja ilay niseho ho fianakaviana jeneraly

Famingavingana zandary : Nadoboka am-ponja ilay niseho ho fianakaviana jeneraly

Ny talata hariva teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana Anosy, ilay mpamily voatery nosamborina tetsy Ambohimangakely ny zoma lasa teo. Nanapa-kevitra ny handefa azy eny Antanimora avy hatrany ireo mpitsara mpanao famotorana taorian’izay. “Familiana fiara anaty fahamamoana; faniratsirana mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany; fanararaotana amin’ny fisehoana ho mahafantatra olona ambony; fandikàna ny lalàna faha 91.011 ny 18 jolay 1991 mamaritra ny hamehana misy eto amin’ny firenena. Ireo no andinin-dalàna famaizana nanenjehana azy” araka ny fampitam-vaovao nalefan’ny zandary. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo no nosakanana tetsy amin’ny sakana tetsy Andranovao Ambohimangakely ity ranamana ity, teo am-pamiliana ny fiara. Tsikaritry ny mpitandro filaminana nanakana azy tamin’izany fa mamo ity lehilahy ity, ary nasaina nivoaka ny fiara. Tamin’izay fotoana izay indray anefa no nivazavazany ireto zandary nanakana azy ary nilaza izy fa fianakavian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary. Tsy vitan’izay anefa fa mbola namingavinaga ireto zandary nanao ny asany ny lehilahy. Nandray fepetra ny hisambotra sy hanokatra famotorana avy hatrany mahakasika ity lehilahy ity moa ireo mpitandro filaminana taorian’izay ary dia izao niafara tamin’ny fampidirina azy am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsarana izao. “Tsy ao anatin’ny kolontsaina ato amin’ny Zandarimariam-pirenena ny miaro olo-meloka, na manao « corporatisme » , indrindra fa raha manevateva zandary manao ny asany ny olona iray. Mahalala izany ny tena havana na olona mifanerasera amin’ny zandary, indrindra moa fa amin’ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimaria” hoy hatrany ireo zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici