Manao sesilany ny fivoahan’ireo voasokajy ho gadra politika am-ponja. Isan’izany ireo tanora izay nitoraka ny helikoptera tany Faratsiho nandritra ny fampielezan-kevitra ho solombavam-bahokana izay nataon’ny kandidà volom-boasary, Lalatiana Rakotondrazafy. Tamin’io fotoana io dia delegasiona be no indray nandeha ny angidim-by ary maro ny olo-be loranjy tao anatiny, isan’izany ny governora eto Analamanga. Teo koa anefa no nisafidy ny nitoraka ireo tsy nankato. Tsy ela ny valin-kafatra fa ny harivan’iny ihany dia efa voatazona tao amin’ny mpitandro ny filaminana ireo voarohirohy ho tompon’antoka. Nidoboka am-ponja teto an-drenivohitra ary nandeha koa ny fitsaràna ary samy voasazy an-tranomaizina ireo olona. Tapitra anefa izany omaly ary dia afaka ireo gadra politika. Isan’ny mbola afaka koa ireo voatampim-bava toa ilay nilanja sora-baventy nisy soratra « dégage Macron » (dika teny malalaka : miala Macron) ary nosamborina sy nodarohina ary nidoboka am-ponja. Tao koa ny nisalotra tee-shirt nisy ny sarin-dRajoelina niaraka amin’ny soratra mankahala azy. Dia nidoboka am-ponja koa. Izao vao manomboka fantatra avokoa ny fisian’izany rehefa nivoaka ny figadràna ireo olona izay niharan’ny tsindrihazolena tamin’ny fitondràna loranjy noho ny mba fikasàna haneho hevitra. Ny tsikaritra koa dia tsy voatery ho nisy didim-pitondràna intsony ny famoahana azy ireo fa kosa rehefa voamarina ny maja-gadra politika dia efa tonga mivoaka. Raha ny marina izany dia saika lò tao am-ponja ireo olona raha tsy nahomby ny hetsika farany teo. Na izany aza anefa dia lasa gaboraraka izany ary nahatonga ny sendikan’ny mpitsara nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ary nanameloka tanteraka ny famoahana am-ponja tsy araka ny lalàna mifanandrify izany.
D.R