Nilaza ho tsy ampy fitiavana tamin-dramatoa vadiny ilay lehilahy satria lasa any amin’ilay zaza avokoa izany. Noreseny lahatra ilay vehivavy ny mba hanomezana olona ny zaza mba hitohizan’ny fifanambadiana ao an-trano. Dia nanaiky tokoa ary nentin-drangahy niala tao amin’ilay fonenana mba homena olona mipetraka eny Sabotsy-Namehana. Tsy izay anefa no nitranga satria nentiny teny Ambohimalaza ary notsatohany hety teo amin’ny tendany ny zaza. Hatreto, tsy nisy velively ilay olona izay nolazaina fa omena ny zaza. Mety efa maty paika tao an-dohan’ilay lehilahy kosa ny hamono ho faty ilay zaza mba tsy hanelingelina azy mivady intsony. Mbola ao anaty fanadihadiana anefa ny zandary eo anivon’ny borigadin’Ambohimalaza ary mety hivoatra tsikelikely ny raharaha. Ilay lehilahy indray dia nanaiky fa izy no tompon’andraikitra tamin’ny fanatsatohana hety teo amin’ny tendan’ilay zaza. Hita avokoa rahateo ny akanjo nanaovany nandritry ny famonoana, rehefa nosavaina ny tranony. Tsiahivina fohy fa nisy nahatsikaritra ilay rangahy rehefa nandalo teo Ambohimalaza, nialohan’ny famonoana zaza. Tadidin’ny vavolombelona izy sy ny akanjo hita nandritry ny fisavàna rehefa natao ny fampitahana. Tsy afa-niala intsony arak’izany. Mbola notazomina natao famotorana izy sy ny vadiny hatramin’ny omaly. Ilay zazakely kosa dia efa eny anivon’ny sampana mpitsabo zazakely eny amin’ny hopitaly ary mihatsara isan’andro ny fahasalamany. Ny fikambanan’ny Masera no mikarakara azy noho ny tsy fisian-dreny hitaiza.
D.R