- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFamoizam-po : Nametraka hafatra dia nananton-tena

Famoizam-po : Nametraka hafatra dia nananton-tena

Nanazava fohy momba ny antony namonoany tena. Olana ara-tokantrano sy vesatry ny fiainana, raha fintininana fohy. Sosotra koa amin’ny fianakaviany izay tsy mba nisy nanampy azy tamin’ny olana. Niala tsiny tamin’ny vadiny noho ilay fanapahan-keviny ary niangavy io farany mba hikarakara tsara ny zanany. Nametraka laharana finday mba hantsoina ho an’izay olona mahita azy voalohany. Izay ny vontoatin’ilay taratasy izay nosoratany ary napetrany teo ambanin’ny hazo izay nanantonany tena. Omaly maraina no hitan’ny olona ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy izay manodidina ny efapolo taona. Niantso ny laharana finday napetrany tokoa ny olona ary tonga teo ny fianakaviany. Nantsoina ny zandary ary nanao fisafoana ny razana. Teo amin’ny fokontany iray antsoina hoe Ampandrozonana no nitranga izay famoizam-po izay vetivety dia nahoraka tao an-toerana na dia somary tao anaty ala ala kely aza no nisy izany. Koa satria fahafatesan’olona no nitranga dia tsy maintsy misy ny fanokafana fanadihadiana izay notanterahan’ny mpitandro ny filaminana. Nozarain’ny mpanao gazety tao an-toerana tamin’ny tambajotra sosialy ny zava-nisy ary dia samy nanana ny fiheviny ny olona. Tao no nilaza fa tsy vahaolana velively ny famoizam-po na dia mafy toa inona aza ny fiainana. Endrika fitsoahana andraikitra, indrindra ho an’ny olona manan-janaka toa azy, hoy ny olona sasany. Ao koa no tsy nanome tsiny azy satria efa mafy loatra ny mety ho niainany ary tsy zakany intsony. Mbola tao anaty fanehoan-kevitra ihany no nisy ny nandroso ny mba tokony hisian’ny sampana mpihaino sy mpanoro hevitra ny olona manana olana ara-piarahamonina. Tsy mitsabo ny marary saina akory no tiana ambara eto. Any ivelany dia efa maro ny sampana miandraikitra izany ary misy firenena aza dia misy laharana maintso fotsiny no antsoina dia afaka mihaino sy manoro hevitra ny manam-pahaizana. Eto amintsika dia mety ho tototra ny antso raha misy izany saingy kosa mety hitondra fijery hafa eo amin’ny fiarahamonina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici