- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana Ampanjaka tany Farafangana : Nadoboka am-ponja ilay ben’ny Tanana sy olona...

Famonoana Ampanjaka tany Farafangana : Nadoboka am-ponja ilay ben’ny Tanana sy olona 12 hafa

Ny alatsinainy teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tao Farafangana, ireo olona 14 voarohirohy tamin’ilay resaka fitsaram-bahoaka sy vono olona ka nahafaty ampanjaka Zafisoro. Tao anatin’izany dia fantatra fa olona 12 no naiditra am-ponja vonjimaika ka anisan’ireo ilay ben’ny Tanana voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay fitarihana olona hanao fitsaram-bahoaka ilay ampanjaka. Roa tamin’ireo voarohirohy kosa no nomena fahafahana vonjimaika. Tsiahivina, fa ny voalohandohan’ny volana Mey lasa teo no nitranga ity karazana vono olona niniana natao ity tao amin’ny kaominina Evato, Farafangana. Nolazaina fa isan’ireo nikasa hanafika sy nifofo ny ain’ny ben’ny Tanana tao an-toerana ity ampanjaka ity. Nandeha teo ny famotorana nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ary nentina tany amin’ny birao ity farany. Teo anefa no niova ny toe-draharaha satria nitondra andian’olona maromaro ilay ben’ny Tanana, ary naka ilay ampanjaka tao amin’ny biraon’ny zandary, mody nolazaina fa ho kabariana amin’ny Dina. Tsy izany anefa no niseho fa kapa famaky avy hatrany teny amin’ny tendany no nihatra taminy ary dia namoy ny ainy avy hatrany ity ampanjaka Zafisoro ity. Nivadika ho tamin’ity raharaha ity indray ny fanadihadiana nataon’ireo zandary, satria dia misy resaka vono olona natao fanahy iniana tao.  Ny ampitson’io ihany dia olona valo no nosamborina. Hialana amin’ny mety ho korontana niseho anefa, dia voatery nalefa tany Fianarantsoa ireto olona ireto ary tany no nitohy ny famotorana. Taty aoriana dia nisy olona dimy hafa nosamborina izay voatery nalefa tany Vohipeno, noho izay fisorohana ny mety  hisian’ny fihoaram-pefy izay hatrany. Tao anatin’izay, dia nisy hatrany ny fandaminana ny sain’ny vahoaka, izay nidinan’ireo karazana tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Rehefa nilamina tsara toe-draharaha vao io natolotra ny Fampanoavana tao Faranfangana io ireto olona voarohirohy ireto. Tsiahivina,  fa vono olona natao fanahy iniana sy efa noketrehina no anenjehana ireto olona ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici