- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Andry Rakotovao : Efa fantampatatra ny misy an’ilay olona karohina

Famonoana an’i Andry Rakotovao : Efa fantampatatra ny misy an’ilay olona karohina

Araka ny vaovao re teo anivon’ny mpanao famotorana, dia efa hita soritra ny toerana misy an’ilay antsoina hoe Dominique Bary voarohirohy tamin’ny famonoana ilay mpandraharaha Andry Rakotovao tany Moramanga ,tamin’ny alakamisy lasa teo. Araka izany na dia tsy mbola vosambotra aza ity olona ity dia fotoana  fohy no andrasana. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa ny zoma teo ihany dia hita teny amoron-dalana teny Fenoarivo Atsimondrano ilay fiara nentin’ilay voatondro ho nahavanona ny famonoana nandositra. Maro ihany koa ny vaovao fantatra. Ao ny nilaza fa efa lasa nandeha niankandrefana nihazo an’i Miarinarivo ilay olona karohina rehefa avy nanary an’ilay fiara. Ny sasany indray niteny fa tsy lasa lavitra izy fa toa mihodinkodina eny amin’ny manodidina eny ihany. Ankoatra izany dia fantatra izao fa efa misy olona roa hafa nohenoin’ny mpitandro filaminana mikasika iny vono olona mahatsiravina iny.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser