- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Andry Rakotovao : Mbola karohina fatratra i Bary, ilay mpamily

Famonoana an’i Andry Rakotovao : Mbola karohina fatratra i Bary, ilay mpamily

Tapa-bolana mahery aty aoriana, taorian’ilay famonoana nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ilay mpandraharahara Andry Rakotovao tao Moramanga dia toa mbola tsy nahitana mangirana ny raharaha. Hatramin’ny omaly mantsy, araka ny filazan’ireo pôlisy niandraikitra ity raharaha ity dia mbola tsy hita ilay mpamiliny, Bary Dominique, voatondro ho tompon’antoka tamin’ity raharaha famonoan’olona ity. Ny fantatra hatreto, raha vaovao re dia ilay lehilahy antsoina hoe Nary, izay nitolon-tena tany Ambohimandroso, niaraka tamin’ny vadiny, ary voarohirohy ho nanafina ity mpamily ity no hany voasambotra sy nalefa any amin’ny fonjan’i Moramanga, miandry ny fotoana hitsarana azy. Tsiahivina fa tao amin’io tanana io ihany no hita faty tao anatina trano fandraisam-bahiny iray i Andry Rakotovao, ny alakamisy alina 28 janoary lasa teo. Efa nihoson-drà tanteraka ary nodidina tamin’ny zava-maranitra ny tendany. Nezahina nentina novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Nitsoaka niaraka tamin’ny fiarany kosa ilay mpamiliny ary mbola io tadiaviana io hatramin’izao. Raha toa kosa ka efa hita ilay fiara tsy mataho-dalana nentiny nitsoaka. Olona maromaro kosa no fantatra fa efa nohadiadiana tamin’ity resaka ity ary anisan’izany ny tompon’ilay hôtely. Miandry ny tohiny araka izany ireo mpanara-baovao rehetra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser