- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Beby Sinoa : Nosamborina ireo mpanampy azy

Famonoana an’i Beby Sinoa : Nosamborina ireo mpanampy azy

Roa vavy, mpanampy an’i Beby Sinoa, ilay vaviantitra teratany sinoa hita faty tetsy Alarobia ny talata maraina lasa, no fantatra fa nosamborin’ny pôlisy ny andron’io ihany. Nanaovana famotorana teny amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy izy roa vavy ireto. Ary aorian’ny fakàna am-bavany sy fihenoana azy ireo dia hatolotra ny Fampanoavana anio ihany, araka ny loharanom-baovao azo hatrany. Amin’ny trangan-javatra toy izao tokoa dia mazàna miantefa amin’ireo olona akaiky ilay lasibatra foana ny ahiahy. Ireo olona akaiky izay mahalala amin’ny antsakany sy andavany ny fandaharam-potoanan’ilay lasibatra sy fiaimpiainany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ireto mpanampy ireto no noahiahiana voalohany ka izao nosamborina izao. Tsiahivina fa manampy ity sinoa vavy, hita faty nifatotra tongotra aman-tanana ity, izy roavavy ireto amin’ny fivarotana ataony, ary asaina mody kosa rehefa tonga ny hariva. Tsy nisy afa-tsy ilay vaviantitra irery, araka izany, no tao an-tranony tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana io. Fanafihana miharo vono olona tokoa, satria raha ny fantatra dia nanjavona ny vola rehetra tao an-trano, niampy entana vitsivitsy. Mbola mitohy moa fa tsy mijanona amin’ny fisamborana ireto mpanampy ireto ny famotorana ataon’ireo pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici