- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Francisco Lopez sy vady aman-janany : Niaiky ny heloka feno habibiana...

Famonoana an’i Francisco Lopez sy vady aman-janany : Niaiky ny heloka feno habibiana vitany i Zaka mpiambina

Roa volana sy tapany taty aorian’ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Francisco Lopez sy ny vady aman-janany tao an-tranony, vao tratra ilay mpiambina, tao amin’izy ireo ihany, tany Mahanoro ny alatsinainy hariva teo, raha saika hitsoaka tamin’ny pasitera iray tao Antananarivo raha nifanenjehan’ny polisy tany Masomeloka.

Avy hatrany dia niaiky ny heloka vitany Ingahy Zaka, satria efa voasambotra ny faran’ny herinandro teo ihany koa ireo namany mianadahy, dia Ingahy Barijean sy i Angela vadin’i Zaka, izay nanome ny vaovao rehetra tamin’ny famonoana sy ny antony nanaovan’izy ireo izany. Ny talata hariva teo vao tonga teto Toamasina raha avy any Mahanoro miatrika ny fakana am-bavany azy Ingahy Zaka tamin’izao vono olona feno habibiana izao. Ny polisy misahana ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba ny heloka be vava sy ny zaza tsy ampy taona no misahana ny raharaha amin’izany. Raha hiverenana ny tantara dia ny alatsinainy 13 may no hita faty tao an-tranony, nafenina tao amin’ny efitra fandroana sy fivoahana, ilay teratany frantsay sy ny vady aman-janany teratany malagasy izay efa an-dalam-pihintsanana sy feno olitra. Raha ny fanazavana dia ny zoma 03 may mialoha ny vono olona no niketrika ny famonoana Ingahy Zaka sy Barijean ary Angela. Ny sabotsy 04 may sy ny alahady 05 may kosa no nomanina tsara izany mba tsy hisy hahatsikaritra, ka ny alatsinainy 06 may tamin’ny 09 ora alina no natao ny vono olona, ary ny talata 07 may taorian’ny halatra no nitsoaka tany Masomeloka Mahanoro izy telo. Raha vao nandray an-tanana ny fanadihadiana ny polisy misahana ny heloka be vava dia nanao ny fanarahan-dia rehetra an’ity mpiambina ity sy ny namany, ka izao tratra izao ihany ny farany raha ela nitsoahana. Manana fitoriana roa mahakasika azy izy ireo, voalohany ny fitorian’ilay fianakavian’ilay teratany malagasy maty, misy koa anefa ny fitoriana avy eo anivon’ny tonia mpampanoa lalana ao Parisy Frantsa, nataon’ny zanakavavin’ilay teratany frantsay avy any Guadeloupe maty.

Aorian’ny fanadihadiana ataon’ny polisy izany dia hiakatra eo anivon’ny fampanoavana ny raharaha, ary tsy maintsy hampahalalana mikasika izany koa ny fitsarana any Parisy noho ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny firenena malagasy sy ny Frantsay.

Malala Didier 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici