Nivoaka omaly ny didin’ny fitsaràna heloka bevava ao Toliara mahakasika ny famonoana an’I Gerald Fontaine sy Johanna Delahaye izay vadiny, tamin’ny taona 2012. Sazy an-terivozona mandra-pahafaty no azon’I Lahiniriko Victor sy Alain Régis. Izy ireo no voampanga ho tompon’antoka mivantana tamin’ny famonoana ireo teratany frantsay roa ireo. Raha tsiahivina dia efa nanomboka tamin’ny volana janoary tamin’ny taon-dasa ny raharaham-pitsaràna ary nahemotra hatrany izany noho ny pitsopitsony samihafa. Tamin’ity raharaha ity dia nahazo fahafahana ireo vazaha telo izay isan’ny voarohirohy ho nandray anjara an-kolaka tamin’ilay heloka bevava. Nihena ny isan’ny vavolombelona izay tonga nanatrika ny raharaha izay notsaraina nandritra ny adim-pamantaranandro valo omaly. Raha tsiahivina dia hita teo amin’ny torapasika ny vatana mangatsiakan’i Gerald Fontaine. Niala 50 kilaometatra teo kosa ny an’ny vadiny, rehefa nifampitadiavina. Isan’ny nandrasan’ny fianakavian’izy ireo efa ela ny hitsaràna ny raharaha. Amin’ny ankapobeny izany dia nandeha avokoa ireo isan’ny raharaha mafana tao amin’ny fitsaràna ady heloka bevava tato ho ato. Isan’izany ny famonoana ireo vazaha tany Nosy-Be.
D.R