Naharitra adim-pamataran’andro enina ny fitsarana ireo tanora efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an-dRazafindrazaka Ramarosata Michaelle, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Michou. Io farany dia mpianatra eo anivon’ny sampana fiarahamonina ho an’ireo matihanina, eny Ankatso. Teo amin’ny taona faharoa ary nanao fanadinana hifindràna ho taona fahatelo farany izy no io nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana io. “Ny zoma 11 janoary taorian’ny tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no novonoina izy, raha araka ny tombatombana. Nokapohina mafy tao amin’ny lohany ka izay no nitarika ny fahafatesany. Ny talata 15 janoary izy no hita faty tao anaty kirihitr’ala tao Ankatso, làlana fanivahana mihazo ny fianarany ihany io” raha araka fantatra teny amin’ny fitsarana misahana ny heloka bevava tetsy Anosy. Samy nandà ny fiampangana azy avokoa ireo olona telo, dia Rakotoarivelo Tsiry Nandrianina, Randriamparany Henintsoa ary Joel Ndimbizara (pasitera amin’ny fiangonana zandriny). Izy roa voalohany dia mpifankatia, pasitera kosa ilay fahatelo farany. Izy ireo dia samy naiditra am-ponja vonjimaika hatramin’ny 2 febroary 2013 no mankaty, izany hoe 23 volana taty aoriana. Afaka noho ny fisalasalana izy ireo. Afaka madiodio kosa ilay zazavavy tsy ampy taona iray izay isan’ny tao anatin’ireo voarohirohy. Amin’ny maha-tsy ampy taona azy dia voatery nohidina ny efitrano fitsarana nandritra ny fihainoana azy. Ny fampiasana ny findain’i Michou no tena niompanan’ny fanadihadiana azy ireo. I Tsiry, mpianatr’Ankatso, dia nilaza fa hitany teny an-dàlana ilay finday ary nomeny ary nataony fanomezana ho an’ny olon-tiany, dia i Henintsoa izany. Ny an’i Ndimbizara Joel indray dia nilaza izy fa novidiany teny Isotry ilay finday ary tsy fantany izay tompony. Kinanjo an’i Michou. Isan’ny naha-tezitra ny fampanoavana ny tsy nanomezan’ireo olona ny finday teny amin’ny manam-pahefana rehefa hita teny an-dàlana. Hita ho maivana ireo tanora rehefa nivaly ny fitsarana ary nanome fahafahana azy ireo. Izany dia taorian’ny fidirana am-ponja, efa ho roa taona…
Ornella