Omaly no natolotra ny Fampanovana ilay tovolahy antsoina hoe Tafita, 21 taona izay voarohirohy ho namono nahafaty an’i Nanah, 18 taona, mpianatra ao amin’ny taona voalohany eo anivon’ny oniversite tsy miankina iray. Vonoan’olona efa nomanina (assassinat) no niampangàna azy,niampy halatra môtô sy finday (ireo nampiasain’i Nanah). Hatreto dia tsy kisendrasendra akory ny antony namonoana ilay tovovavy fa efa maty paika : nantsoina an-telefaonina izy ary nomena fotoana. Ho an’ny fianakavian’ny maty dia ny halatra kokoa no tena antony namonoana ilay tovovavy fa tsy resa-pitiavana izany akory. Notsindromina antsy indimy teo amin’ny tendany izy ary tsy vitan’izany fa mbola nohitsahina mafy teo amin’ny lohany mba hahafaty azy tanteraka, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava nandritra ny famerenana ny zava-nitranga tetsy Mausolée, izay toerana namonoana azy rahateo. Mbola handalo fanadihadiana lalina ilay tovolahy voarohirohy alohan’ny fitsarana azy. Saingy mandra-piandry izany aloha dia ao Tsiafahy izy no tazomina. Amin’ny Lalampanorenana malagasy dia 21 taona ny fotoana tena maha tomponandraikitra tanteraka ny olona iray eo anivon’ny fitsarana. Nitontonta tanteraka tamin’ny taonan’ilay tovolahy izany, izay 21 taona amin’ity taona ity, raha ny tatitry ny mpitandro ny filaminana hatrany. Voalazan’ilay tovolahy tamin’ny fakàna am-bavany azy ka nampitain’ny mpanao fanadihadian’ny BC fa resaka hatezerana no nitarika ilay vonoan’olona. Hatezerana izay mahakasika ny fisarahan’ilay tovolahy tamin’ny sipany ka nitontona tamn’i Nanah – izay namany hatramin’ny kely – ny rihitra nony avy eo. Vonoan’olona efatra karazany izay no nampivarahotsana an’Antananarivo tao anatin’ny telo volana. Isan’izany ny an’i Andry Rakotovao, ny an’i Nambinina, Ketaka ary izao indray dia ny an’i Nanah. Olona telo no naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ireo saingy mbola tsy hita soritra mihitsy kosa ny raharaha Nambinina izay tena novonoina tamin’ny fomba feno habibiana…
D.R