Lehilahy iray 42 taona fantatra amin’ny anarana hoe Moussa na i Papa John no namoahan’ny polisy taratasy fampikarohana amin’izao fotoana izao. Izy ity dia voarohirohy tamin’ilay raharaha vono olona izay nahafaty ankizivavy kely tao an-drenivohitr’i Boina tao ny alakamisy lasa teo. Araka ny fanazavàna azo dia tsy azo ihodivirana fa ity « Papa John » ity ilay lehilahy nofosana, azo sary, ary hitan’ny olona nangady lavaka nandevenana an’ilay tsy manan-tsiny fito taona, rehefa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Voalaza ihany koa moa fa niaiky ny vadiny tao anatin’ny fanadihadiana fa azy ireo ny harona nahitàna ilay poizina namonoana ho faty an’ilay zazavavy kely. Ny anton’ny famonoana aloha hatreto mbola manjavozavo ihany raha tsy hoe mivaly ny fanadihadiana ka voasambotra soa aman-tsara ity lehilahy ahiahiana ho tao ambak’izany.
Araka izany, iangaviana izay mahita na manam-baovao mahakasika ity lehilahy ity mba hampilaza haingana ny mpitandro filaminana akaiky azy na hanatona avy hatrany ny tompon’andraikitry ny polisy misahana sy mikaroka heloka sy fandikan-dalàna eny Mangarivotra Mahajanga.
Nangonin’i m.L