Nahatratra hatrany amin’ny 24 olona tany ho any no voarohirohy tamin’ity resaka fanafihana sy vono olona ka nahalasibatra ny ben’ny tananan’ny kaominina Andranomiely, ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Tao anatin’ireto olona ireto ny Lefitry ny ben’ny tanana, izay voalaza, hoy ny fanazavana azo hatrany, fa ahiahiana fatratra ho isan’ny atidoha nikotrika ity vono olona ity.
Raha tsiahivina dia ny voalohandohan’ny volana janoary lasa teo no nitrangan’ity fanafihana mitam-piadiana ity, tao an-toerana. Andian-jiolahy maromaro no tonga nanafika ity tananan’Andranomiely ity ary maty voatifitr’ireo dahalo tamin’izany ny ben’ny tanana am-perinasa. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana taorian’ity tranga ity, izay niarahan’ny zandary sy teo anivon’ny tafika malagasy. Andro maromaro taty aoriana, nivaly ny fikarohana ka efa olona valo no fantatra tamin’io fotoana io fa nosamborina. Tao anatin’ireo olona valo ireo no nisiana miaramila, lehiben’ny fokontany ary olon-tsotra, mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpanafika. Efa natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana ireto farany ary nadoboka am-ponja vonjimaika.
Tetsy andanin’izay, nitohy hatrany ny fanadihadiana lalina sy fanaovana hazalambo ireo izay heverina fa mbola niray tendro tamin’ity fanafihana nahafaty olom-boafidy ity taorian’izay. Tafakatra hatramin’ny 24 ireo olona voasambotra sy voarohirohy tamin’izany, ary io niahiahiana ny lefitry ny ben’ny tanana io ho ati-dohan’ilay vono olona. Efa samy natolotra ny Fampanoavana andro vitsy lasa izay, ireto olona ireto, izay henjehina noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoan’olona nomanina. Taorian’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana moa dia fantatra fa nadoboka eny Tsiafahy ny 15 tamin’izy ireo, raha notazomina ao amin’ny fonjan’Ankazobe kosa ny vehivavy fito sy ny lehilahy. Nisy vehivavy iray kosa, raha ny voalaza no napetraka eo ambany fanaraha-maso ara-pitsaràna. Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo Fitsaràna Ankazobe dia « sazy asa an-terivozina mandrapahafy no voafaritry ny lalàna amin’ny fanenjehina toy itony raha voafaritry ny Fitsarana ady bevava ny mahameloka ny Voampanga. Mitohy hatrany ny famotorana ny raharaha eo anivon’ny Mpitsara Mpanao famotorana eto amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Ankazobe »
m.L