- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an-dRakotovao Andry : Karohin’ny pôlisy fatratra i Bary Dominique sôfera

Famonoana an-dRakotovao Andry : Karohin’ny pôlisy fatratra i Bary Dominique sôfera

Mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny mikasika ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana tany Moramanga, ka nahafaty ilay mpandraharaha, Andry Ratokovao, niseho ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Hatreto dia mbola tsy hita tany nanjavonana ilay mpamily, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity famonoana ity, niaraka tamin’ilay fiara tsy mataho-dalana miloko grenat, mitondra ny laharana 2144 TBD, izay nentiny nandositra ny andron’io ihany. Eo anatrehan’izany, namoaka filazana fikarohana (avis de recherche) mikasika ity mpamily ity, araka izany, ry zareo ao amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy. Nambara ao anatin’izany fa ity sofera ity no ipetrahan’ny fiahiahiana ho nahavanona izao loza mahatsiravina izao. Bary Dominique, 28 taona, izay no anarany. Fantatra fa miaramila nitsoaka an-daharana izy io, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany, ary teny Ampanotokana ny toerana nipetrahany farany. Mazava ho azy fa tsy hita teny amin’io adiresy nipetrahany io intsony ity sofera ity. Manainga ireo olona mety mahafantatra na mahalala vaovao mikasika ity mpamily ity, araka izany, ireo mpitandro filaminana, ka na hanatona avy hatrany ny toerana misy azy ireo na hiantso ny laharana 034.05.517.26 – 034.05.998.46 – 034.05.998.45. Nanamarika izy ireo fa raisina ho mpiray tsikombakomba izay olona minia manafina, mampiantrano na manamora ny fandosirany. Tsiahivina fa ny alarobia alina teo no tonga tao amin’ny hotely famantanany tany Moromanga ity mpandraharaha ity. Nahenoana fifamaliana sy antso vonjy tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny nisy azy, adiny roa taorian’izay, ka tonga nijery izany ny tompon’andraikitra. Izy efa nihosin-drà sisa no tazan’ireo mpamonjy tao. Noezahina nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Tsy hita teny an-toerana intsony kosa ilay olona nifamaly taminy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser