- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana Jeneraly mivady : Olona enina nidoboka am-ponja ao Antsirabe

Famonoana Jeneraly mivady : Olona enina nidoboka am-ponja ao Antsirabe

Folo andro taorian’ny nitrangan’ilay heloka bevava namonoana ny Jeneraly iray sy ny vadiny tao Antsirabe, dia nisy vokany ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Olona 13  no nentina teo anivon’ny fampanoavana, ny zoma lasa teo. Enina tamin’ireo no notazonina am-ponja ary anisan’izany ny havana sasantsasany sy ny mpanampy an-tranon’izy mivady. Lonilonim-pianakaviana hatreto no heverina, fa nitarika ilay famonoana azy mivady, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny mpanao famotorana. Nisy tamin’ireo olona izay nadoboka am-ponja ny zoma lasa teo iny no voamarina fa nandalo tao amin’ny tranon’ny Jeneraly mivady, talohan’ny fotoana namonoana ireo farany. Tsy misy intsony ny fanahiana hafa toy ny hoe namono tena na maty hoazy, fa tena maty novonoina izy mivady. Porofon’izany ny dian-dratra  hita teo amin’ny lohan’ny Jeneraly sy ny vadiny. Raha tsiahivina, dia may ny tranon’izy ireo ary hain-trano mampiahiahy no nilazana azy tany am-boalohany. Ny marainan’ny 24 septambra no nahitana izany. Rehefa nosokafana ny trano nandritry ny famonoana ny afo, dia Jeneraly efa misotro ronono no hita nitsirara tamin’ny tany. Nihohoka nanakaiky ny farafarany izy no sady nihosin-drà ny tavany.  Nojerena koa ny efitra hafa, ary hita tao an-dakozia ny vadiny izay efa tsy nihetsika intsony no sady tsy nisy fitafiana ny tapany ambany. Mbola nisy dian-dratra koa ny lohany sy ny handriny. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy (24 sept) tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany tany ho any no nirehitra ny trano ary potika tanteraka ilay fonenana na niezaka  namono  ny afo aza ny fokonolona. Tovolahy kely no  mpanampy an-trano, ary io no miara-monina amin’izy mivady. Nilaza io fa nisy fipoahana mafy dia nirehitra ny trano avy teo. Izany rehetra izany anefa, dia mety ho efa lainga avokoa, isan’ny nidoboka am-ponja rahateo io farany rehefa nandeha ny famotoran’ny fampanoavana.  Azo heverina raha ny fijery ny fizotran’ity heloka bevava ity, fa efa voaomana avokoa ny zava-nitranga. Na ny fomba nandrehetana ny trano rehefa avy novonoina izy mivady, na koa ny pitsony hafa, dia toa efa nisainan’ireo mpanao ratsy avokoa. Saingy naranitra lavitra noho izy ireo ny mpanao fanadihadiana, ary folo andro monja dia efa sarona ny ankamaroan’ny tompon’antoka…

Andry N/D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici