- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana Karana tany Toliara : Afaka ireo olona telo voarohirohy

Famonoana Karana tany Toliara : Afaka ireo olona telo voarohirohy

Notanterahana teny amin’ny tiribonaly Anosy,ny 27 may 2014 ny fitsarana ireo olona telo voarohirohy tamin’ny famonoana an’ilay karana antsoina hoe Firdos Rossanaly tany Toliara tamin’ny faha- 30 aprily 2013. Maty votifitra tamina basy “calibre 12” ity olona ity. Rehefa nivoaka ny didy dia nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ireo olona ireo. Teo anatrehan’izany, variana ny zanaky ny maty izay mpitory. Tsy ankasitrahan’izy ireo izany didy nivoaka izany, araka ny resaka nataony tamin’ny mpanao gazety, omaly. Raha vao niseho moa ny famonoana dia nisy ny fisamborana. Niakatra tany amin’ny Fampanoavana tany an-toerana ireo telo voasambotra ary dia nalefa vonjy maika tany am-ponja. Naharitra taona iray sy 9 andro no nitazonana azy ireo. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa, gaga fotsiny ireo mpitory fa hatao aty Antananarivo ny fitsarana. Ny tena nahazendana azy dia tsy nahafantatra mihitsy izany zavatra izany izy ireo. Ny filazan’ny mpisolo vava azy ireo no nahafantarana fa tsy naharay fiantsoana akory ry zareo. Nanampy io farany io fa “saika halefa an-tsokosoko ny fitsarana. Nisy olona tsara fanahy anefa nampandre ny mpitory tamin’ny ora farany”. Nanampy izy ka niteny fa, “tsy nisy nantsoina ihany koa ny vavolombelona an’ny mpitory, izay nisy nahita ny fitifirana”. Namampy ihany koa ny mpitory fa hafahafa amin’izy ireo ity fandehan-javatra ity. Tany Toliara no niseho ny famonoana nefa aty Antananarivo no natao ny fitsarana. Nahazo valinteny ry zareo fa noho ny resaka “sécurité” no nahatonga izany.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser