Nampihetsika ny fanjakana tany Koweit ny fahafantarana tamin’ny vaovao an-gazety, sy tao anaty tamban-jotra serasera, nilaza ny fahafatesana tera-tany Malagasy miasa tany an-toerana izay nafenina tao anaty vata fampangatsiahana nandritra ny efa-bolana, sy ny fisian’ireo tovovavy Malagasy 80 migadra, ary tovovavy Malagasy 16 marary saina, tao Koweit.
Raha ny angom-baovao marim-pototra natao dia nisy nandika tamin’ny teny arabo ilay vaovao an-gazety ka voarain’ny fanjakana tany an-toerana, ka nanomboka avy hatrany ny fikarohana noho fahatsapan’izy ireo ny zava-nisy tafiditra amin’ny heloka be vava. Nikoropaka torak’ izany koa ny fanjakana Malagasy ka araka ny angom-baovao natao, dia nandefa delegasionina any Koweit koa ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, nijery akaiky ny raharaha sy ireo Malagasy mijaly miasa any an-toerana. Raha ny vaovao nampitain’ireo Malagasy miasa any Koweit izay manana mpampiasa azy ireo manaja lalana, dia tsy sarotra tamin’ny fanjakana tany an-toerana noho ny fivoaran’ny teknolojia sy fisian’ireo fitaovana fanaraha-maso samihafa, ka ny 21 febroary lasa teo no saron’ny polisy any an-toerana tany Lyban ilay mpampiasa vavy nahavita namono ny mpiasany.
Mpiasa roa. Ny angom-baovao natao tamin’ireo Malagasy any an-toerana hatrany koa no nahalalana, fa mpiasa roa niasa tamin’ity ramatoa ity no efa novonoiny tahaka izao, ka tera-tany Filipiana ny voalohany, ary ity tovovavy Malagasy avy any Ambanja nefa niasa taminy nandritra ny telo taona ity ny faharoa tamin’izany. Ho an’ireto Malagasy miasa any Koweit ireto, dia ny tsy fisian’ny masohivoho Malagasy any an-toerana, na izay mahasolotena azy amin’izany, no tena olana ho azy ireo noho ny tsy fisian’ny fametrahana fitarainana raha sendra olana, satria araka ny angom-baovao hatrany, dia tsy afaka mitazona ny antontan-taratasiny ireto mpiasa Malagasy ireto vao tonga any an-toerana, fa tsy maintsy omena ny mpampiasa izany izay miteraka olana amin’ireto mpiasa raha misy ny disadisa ka tsy hahafahan’izy ireo miverina an-tanindrazana.
Ankoatra izay araka ny fanazavan’ireto mpiasa Malagasy any an-toerana, fa mbola misy vehivavy roa avy any Andasibe Moramanga koa tsy hita popoka hatramin’ny taona 2016, izay nanaovan’ny fianakaviany fitarainana tamin’ny fanjakana izay tokony hanao ny fangatam-panazavana tany amin’ny fanjakana any Koweit hatramin’izao, izay hanaovan’izy ireo antso avo.
Malala Didier