Fito andro taty aorianan’ilay fifandonana nahery vaika tamin’ny dahalo ka nahafaty ilay miaramila avy tao amin’ny Holafy faha-510, tany Belo Tsiribihina dia nandaitra ny hazalambo natao tamin’ireo tsy valahara. Omaly mantsy, araka ny fampitam-baovao azo dia voasambotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy, izay heverina fa anisan’ny nitifitra sy nahafaty ity mpitandro filaminana ity. Marihana fa iray andro talohan’ny faran’ny taona teo tokoa no lavo an-tanim-piadiana ny Serzà sefo Manjakavelo Gatien, raha nanao ny fanarahan-dia ireo andian-dahalo izay vao avy nanafika tanana tany amin’iny faritra iny. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta tao Ambiky, kaominina Masoarivo, distrika Belo Tsiribihina taorian’izay ary nahavoatifitra ity mpitandro filaminana. Voatery nihemotra araka izany ireo mpanara-dia, nitondra ny vatana mangatsiakan’ny namany hihazo ny toby, saingy kosa nandeha avy hatrany hazalambo taorian’izay. Niara-nisalahy avokoa, raha ny vaovao voaray ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy tany an-toerana tamin’ny fametrahana ny paik’ady rehetra sy ny fikaroham-baovao hikarohana ireo nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Tao anatin’izay no efa nahafantarana izay mety ho olon-dratsy tompon’antoka tamin’io famonoana miaramila io sy nitadiavana izay toerana nisy azy, raha ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraiki-panjakana voalohany any an-toerana. Niafara tamin’io fisamborana omaly io moa izany. Heverina fa tsy izy roalahy ireto ihany no anisan’ireo dahalo nohenjehina tamin’ny fotoana nisian’ny fifanjevoana fa mbola misy namany hafa any. Ny famotorana azy ireto angamba no hahafahana mikaroka ireo namany ireo sy ireo mpiray tendro aminy. Efa natolotra ny zandary tany an-toerana moa ny raharaha efa mandeha izay fanadihadiana izay.
m.L