- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana mpampianatra 70 taona : Ramatoa vadiny ihany nanakarama dahalo hamono...

Famonoana mpampianatra 70 taona : Ramatoa vadiny ihany nanakarama dahalo hamono an-drangahy

Olona efatra no voasambotry ny mpitandro filaminana tamin’ny famonoana feno habibiana mpampianatra fanatanjahantena efa misotro ronono iray tao an-tranony, tao Ambalamanga, Fokontany Mahabokely, Kaominina ambonivohitra Mahabo, ny harivan’ny 18 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Taorian’ny vono olona nahatsiravina ity, nidina ifotony nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo, ary tsapa fa efa natory tsy nahatsiaro tena rehefa avy nomena « valium » ity lahiantitra 70  taona filohan’ny fizarana rano ao amin’ny lakandranon’ny Dabara ity vao novonoina, satria tsy mba nikorontana na niparitaka ny rà tao amin’ny efitrano namonoana azy, midika izany fa olona mahafantatra sy akaiky azy no nahavanon-doza. Tao anatin’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana, ny vadin’ Itompokolahy ihany no atidoha nikotrika famonoana am-badiny, ka telo lahy no nokaramaina iray hetsy ariary avy hamono an’i Velo Pierre, ka anisan’izany ny anadahin-dramatoa.

Te-handova irery. Ny antony nahatonga ny famonoana : Itompokolahy fony fahavelony dia olona mahitsy sady sarotiny fatratra amin’ny fandanindaniam-poana ara-bola, nefa ramatoa vadiny 49 taona etsy andaniny mbola te-hanao fiainana, ary naniry fatratra hanana an’ireny volamena «double » sy « triple chaîne » ireny. Nieritreritra ity renim-pianakaviana ity fa rehefa maty ny vadiny, izy irery ihany no handray sy hitantana ny « pension »-mbadiny mitentina 1,2 tapitrisa ariary. Araka ny nambaran-dramatoa hatrany tamin’ny famotorana natao azy, in-telo isan-kerinandro izy mivady no manao firaisana ara-nofo. Tsy mahafaka intsony anefa ity lahiantitra, ka tsy afa-po noho izany ramatoa raha tsy mihinana « valium » sy « chavigra » roa ny vadiny. Arakan y fanazavana azo hatrany, efa nokasaina hatao ny asabotsy 16 oktobra ny famonoana, saingy tsy tanteraka izany noho izy ireo mbola hivavaka ny alahady. Ny alatsinainy tamin’ny enina ora hariva, nomen-dramatoa « valium » ny vadiny mba hampatory azy, ary nobitsihany ny anadahiny fa malalaka ny lalana, tsy nohidiny ny vavahady, tsy nampirehetiny ny jiro teo an-tokotany mba hanamora ny fidiran’ireo olon-dratsy, ary nampiresahany ireo zanany mba tsy haheno ny famonoana an-drainy. Rehefa natolotra ny fitsarana ireo efatra mianadahy voarohirohy, dia notanana am-ponja vonjy maika miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici