- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana mpanao gazety : Namalifaty ny polisy, telo ny jiolahy lavo

Famonoana mpanao gazety : Namalifaty ny polisy, telo ny jiolahy lavo

Raikitra ny fikarohana vaovao am-pahanginana eraky ny tanàna mba hamantarana ny momba ireo olon-dratsy. Tsy niandry ela ny polisy miandraikitra ny filaminam-bahoaka tao Fianarantsoa tamin’ny fandraisana andraikitra mba hikarohana ireo mpamono olona. Nisy iray voasambotra tamin’ireo farany ary io no nahafahana namantatra ny nisy ny mpiray tsikombakomba taminy. Nandritry ny fisamborana, rehefa hita ny toerana nieren’ireo jiolahy, dia nisy ny fifandonana sy fifampitifirana. Telo no lavo tamin’ireo jiolahy ary nisy telo hafa kosa azo sambo-belona, raha araka ny tatitry ny polisy. Notohizan’ny mpitandro ny filaminana fa mbola sarona teny amin’ireo olon-dratsy ny fitaovam-piadiana izay fampiasan’izy ireo dia ny basy vita gasy sy ny zava-maranitra isan-karazany izany. Raha tsiahivina dia ny herinandro lasa teo no namonoan’ny jiolahy ny mpanao gazety iray tao Fianarantsoa. Nodarohan’ireo tamin’ny hazo misy fantsika ny lohany sy ny hatony ary nitarika ny fahafatesany izany. Roa volana talohan’io, nisy nanafika ny fokontany izay misy ity mpanao gazety ity. Rehefa tsy nahomby izany satria tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana ary nahalavo ny iray tamin’ireo jiolahy, dia nisy indray ny fandrahonana isan-karazany, toy ny mbola hiverenan’ireo olon-dratsy ary hamonoany olona tsy latsaky ny efatra. Tena tontosa tokoa izany ary isan’ny tafiditra tao anatin’ilay olona efatra izay niharan’ny herisetra ka namoy aina ilay mpanao gazety. Herinandro taty aoriana, rehefa natao ny angom-baovao rehetra, dia io nisy lavo io indray ny avy amin’ny jiolahy. Zava-dehibe amin’ny mponina ao amin’ilay fokontany izay fandalovan’ny jiolahy matetika ity vokatra ity satria mahatsiaro ho mandry andriran’antsy izy ireo noho ity fifamaliana faty eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny jiolahy ity, tao anatin’ny volana maromaro. Ho tapitra sa mbola hitohy ny fifampiantsiana eo amin’ny roa tonta? Mbola baraingo mipetraka izany, na izany aza efa lavo ary voasambotra ny enina tamin’ireo tompon’antoka momba ity raharaha vonoan’olona misesy tao Fianarantsoa ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici