- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana mpandraharaha tao Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ny roalahy, « LP » kosa ny...

Famonoana mpandraharaha tao Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ny roalahy, « LP » kosa ny iray

Ankotra an’ireo olona niisa dimy, nidoboka am-ponja vonjimaika, izay voarohirohy tamin’ny famonoana mpandraharaha iray avy Berivotra 5/5, dia olona niisa telo hafa, ihany koa no niakatra fampanoavana ny tolak’andron’ny Alatsinainy faha 19 Febroary lasa teo, ary taorian’ny fanapan-kevin’ny tonia mpapanoa lalàna no nampidirana am-ponja vonjimaika azy roalahy eny amin’ny Mangahazo tsy vidina ao Ambodimadiro, ary ny iray tamin’izy ireo no nahazo fahafahana vonjimaika. Raha tsiahivina, dia ny marainan’ny Asabotsy faha 06 Janoary lasa teo no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana i Dina Andriatsaramahazo, izay mpandraharaha manana ny lazany, ka tany Ambongabe -Tsararano no nisehoan’ny famonoana. Taorian’ireo olona dimy nidoboka am-ponja vonjomaika, dia ny Zandary avy ao amin’ny  » Section de Recherche » any Mahajanga no nandray an-tanana ny fanadihadihana ireo olona telohaly tra-tehaky ny Zandary,izay voalaza etsy ambony. Rehefa natao  » Réquisition » ny fidain’ilay mpandraharaha maty, dia hita sy voamarina fa ny roalahy fantatra amin’ny anarana hoe: Kambo sy Véro no nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana. Nihaiky mihintsy, fa nanapaka ny tendan’io mpandraharaha io izy ireo no nilaza sy nanamfy ihany koa, fa nokaramaina vola folo tapitr’isa ariary tamin’izany fihetsika habibiana izany, ary mpandraharaha iray ao Berivotra 5/5 sy avy any amin’ny fokontan’Ambinanikely, kaominina ambanivotra Managabe, ato antin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nanakarama azy ireo. Saingy efa naiditra am-ponja kosa ireo mpandraharaha roa voatondro ireo. Marihana fa adin’ny samy mpandraharaha ity raharaha ity, no niafara amin’ny fanirahana amin’izao famonoana hafaty izao. Ilay iray hafa antsoina hoe: Topha, naman’izy roalahy tompon’antoka tamin’ny fomonoana, dia nifianakaviany maty, kosa no nitoraka azy teny amin’ny biraon’ny Zandary, satria miahiahy azy fatratra ireto farany amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ireo malaso tamin’ny zavatra niseho rehetra teo aloha sy aorian’ny fahafatesan’i Dina.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici