- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana mpiambina : Mitodika any amin’ny mpiasa taloha ny fanahiana

Famonoana mpiambina : Mitodika any amin’ny mpiasa taloha ny fanahiana

Samy miady mafy ny mpanao fanadihadiana na ny etsy Anosy na ny any Arivonimamo. Ny voalohany dia mahakasika ilay famonoana mpiambina miisa roa tao amin’ny toeram-pivarotana pizza etsy amin’ny By-pass. Ny faharoa kosa dia ilay famonoana ankohonana iray, telo mianaka. Ny itovizan’ireo dia fanadihadiana mahakasika heloka bevava momba ny vonoan’olona dimy, raha hatambatra, ary izany dia tao anatin’ny fotoana mitovy, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy. Etsy amin’ny sampana misahana fanadihadiana heloka bevava etsy Anosy, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny polisy, dia efa misy olona mivezivezy ary alaina am-bavany. Mbola nijanona ho tsiambaratelo izany satria anatin’ny fanadihadiana tanteraka, saingy loharanom-baovao akaiky ny orinasa eo amin’ny sehatry ny fiambenana no nahitàna ny petra-kevitra fa mpiasa taloha no tokony hahiahiana ary izany rahateo no efa alaina am-bavany ankehitriny. Ny fitaovan’ireo mpiambina izay novonoina, izany hoe fitaovan’ny orinasa dia lasan’ireo jiolahy avokoa. Raha tsiahivina aza dia mbola ny “talkie-walkie” na fitaovam-pifandraisan’ny orinasa ihany no nampiasain’ireo jiolahy mpamono olona, nentina nampahafantarana fa novonoin’izy ireo ny mpiasa roa. Etsy andanin’izany, tsy misy afa-tsy olona mahafantatra ny fenitra ara-piambenana eo anivon’ilay sehatra ihany no afaka mamantatra ny fiasan’ireo “camera de surveillance” sy ny misy ny toerana firaiketana ny sary ka nahatonga ilay heloka bevava ho tsy nisy marika firy. Ny tompon’ny Gastro rahateo dia efa nanamarika ny fanahiany fa olona tsy lavitra ihany no tompon’antoka. Ny etsy Arivonimamo indray dia efa andro fahatelo sahady izay no nitazomana ireo olona izay noahiahana anio. Afaka manalava ny fetr’andro hitazomana ny mpanao fanadihadiana, araka izay mety amin’izy ireo, satria heloka bevava no nitranga. Momba ity raharaha ity dia miompana amin’ny teknolojia kokoa ny mpanadihady, mahakasika ny fitiliana ny ranon’ain’ilay mpamono olona izay sady nanolana izany. Na izany aza, ny fahitàna fitaovana nihosin-drà tao amin’ny trano iray dia efa porofo manakaiky ny marina saingy mila fandalinana kokoa sisa. Ireo telo mianaka izay namoy ny ainy dia nalevina omaly tany Fandriana ary naha-ontsa ny maro ny nahita ilay zazalahy izay akanga sisa nanamborana. Raha tsy nandeha niala sasatra tany amin’ny renibeny io farany dia mety ho azo eritreretina koa fa maty tao an-tranony niaraka tamin’ny fianakaviany. Nampihorohoro ny maro loatra ka arahin’ny mpanara-baovao akaiky ireo raharaha heloka bevava roa karazany ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici