Ramatoa bevohoka iray no maty voatsatoka antsy teo amin’ny vavafony, maratra mafy kosa ny vadiny voa teo amin’ny lamosiny ary mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao. Ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa famonoana niniana natao ity niseho teny amin’ny Vahilava Avaratetezana Mamory Ambodimita ity.
Tamin’ny asabotsy 23 aogositra 2014 teo, tokony ho tamin’ny 7ora hariva teny amin’ny toerana voalaza etsy ambony, nisy olona telo mianaka, mpivady miaraka tamin’ny zanany kely iray nandeha môtô hamonjy fodiana. Araka ny loharanom-baovao hatrany, nosakanana lehilahy telo izy ireo ka natosiny avy eny ambony môtô. Nianjera tamin’ny tany. Rehefa izany, tsy nisy ny resaka fa tsindrona antsy no nahazo ireo mpandeha môtô. Tamin’ny voalohany dia hoe hangalatra ilay môtô sy ny vola tany amin’ireto olona ireto izy telo lahy. Afaka niantso vonjeo anefa ireo voatafika. Tsy ela, tonga teo amin’ilay toerana ny manodidina nitondra fanampiana azy telo mianaka. Raikitra ny fanenjehana ireo bandy, hoy hatrany ny vaovao voaray. Voasambotra tamin’izany ny iray tamin’izy ireo, fantatra amin’ny anarana hoe A. M. A. na i Fy. Tezitra mafy tokoa ny mponina ka saika hanao fitsaram-bahoaka. Soa fa vetivety dia tonga ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-6 sy ny avy ao amin’ny UIR ka voasakana ilay fitsaram-bahoaka. Teo no ho eo ihany dia nentina nofotorana teny amin’ ny B.C Anosy izy rehefa avy eo ka tamin’ ny fanadihadiana natao azy dia niaiky izy ireo fa haka ny môtô sy ny vola no tena anton-dian’ izy telo ary nisy koa ny “réglement de compte”. Ireo namany roa kosa tafatsoaka izany Riri sy Karana na Arbitre izany no fiantsoana azy ireo.
Ny nahamaika ny olona avy eo dia ny nitondra ireo naratra teny amin’ny hopitaly akaiky. Ilay vehivavy voalaza fa maty teny an-dàlana ny alin’ny nitondrana azy ho eny amin’ny hopitaly Loterana. Nitohy tsy nijanona ny fikarohana ireo afaka nandositra, ka fantatra fa ny alatsinainy 25 aogositra no voasambotry polisy avy ao amin’ny BC teny Amboanjobe Iavoloha ilay antsoina hoe Riri. Tamin’ny famotorana azy, hoy hatrany ny vaovao, dia niaiky izy fa efa nomanin’izy ireo ity famonoana olona ity ny alakamisy 21 aogositra antoandro teny am-panaovana baolina. Nanondro izy fa i Karana no atidoha izay fantatra fa anisan’ny fianakavian’ireo voatafika ihany.
Omaly no natolotra ny fitsarana ireo roalahy voasambotra.
Nangonin’I r.s.