Nanoloana ny famonoan’ ireo andiana mpitarika posy avy any Androy tamin’ny fira famaky sy daroka ny ben’ny tanànan’i Betsinjake Toliara II (Maire Rakoto) sy ny zandriny, izay naratra mafy sady tsy nahatsiaro tena, ny alin’ny 30 novembra lasa teo, dia niravona ihany ny olana, ny talata hariva teo, tao amin’ny biraon’ny faritra Atsimo Andrefana, taorian’ny fampihavanana nataon’ny fiadidian’ny faritra notarihan’ny lehiben’ ny faritra, ny Kolonely Rabe Jules nentina nitadiavam-bahaolana mba hisorohana ny disadisa tsy hihitatra ho lasa adim-poko. “ Natao iny fampihavanana ara-pomban-drazana araka ny fomba aty Atsimo “kabary ambany kily” iny, mba hisorohana ny adim-poko eo amin’ny foko Tanalana fiavian’ingahy ben’ny tanàna sy ny foko Antandroy misy an’ireo mpitarika posy namono ”, hoy ny fanazavana azo.
Taorian’ny adi-hevitra mafonja teo amin’ny foko roa tonta, dia tapaka ary fa handoa onitra enina tapitrisa ariary ny foko Antandroy, izay nandratra ny ben’ny tanànan’i Betsinjake sy ny zandriny. “ Natao izao mba hisian’ny filaminana tsy hisian’ny valifaty intsony, satria tena raharaha natahoran’ny maro mety hiteraka ady saritaka sy rà mandriaka ny famonoana an’i Maire Rakoto iny “, hoy ireo Sojabe avy amin’ny foko roa tonta, nitafa tamin’ny mpano gazety. “ Inoana izany fa hilamina sy hivalona hatreo iny raharaha ”, hoy ireto Sojabe namarana ny fanazavany.
Eric Manitrisa