- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana ny CB Ranomafana : Olona sivy naiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary

Famonoana ny CB Ranomafana : Olona sivy naiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary

Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny Zandary, dia natolotra ny Fampanoavana tao Mananjary, afak’omaly hariva, ireo olona sivy voasambotra izay voarohirohy tamin’ny famonoana ny Kaomandin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Ranomafana, ny 27 novambra lasa teo. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha, dia ny andron’io ihany ireo voampanga no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Mananjary, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Raha tsiahivina, dia maty voatifitry ny dahalo tao an-tanànan’i Torotosy, fokontany Tsaramandroso, any amin’ny distrikan’ Ifanadiana, ny GPHC Rambeloson Heritiana Emilson, Kaomandin’ny borigady ao Ranomafana. Raha ny fantatra, dia dahalo tsy latsaky ny 50 lahy nirongo basy no nanao fanafihana tampoka ny tanàna natorian’ny zandary efa-dahy nanao fitsidiham-paritra. Iny handeha hivoaka hizaha ny zava-misy sy hanavotra ireo tokantrano voatafika iny ity manamboninahitra lefitra ambony ity no voatifitr’ireo mpanani-bohitra, ka lavo teo no ho eo, ary lasan’ny dahalo ny basiny « Kalacknikov » sy ny « chargeur » roa nisy bala 60 isa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici