- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana Pakistanais : Mbola tsy hita ireo olona dimy

Famonoana Pakistanais : Mbola tsy hita ireo olona dimy

“Eo am-panangonana ny vaovao rehetra mahakasika ireo olona izay ahiahina izahay. Mbola tsy nisy aloha ny voasambotra hatreto”, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Raha ny tsilian-tsofina re dia olona dimy no niandraikitra ny famonoana. Nisy roa vavy izay mpanasa lamba sy mpiasa an-trano izay tena ahiana mafy ho niray petsapetsa tamin’ny fampidirana ireo lehilahy telo izay namono nahafaty. Tsiahivina fa nampiasa basy ireo olon-dratsy ary voatifitra teo amin’ny tratra no nitarika ny fahafatesan’ilay teratany Pakistanais. Ny vadiny kosa dia mbola manohy fitsaboana hatramin’izao noho ny ratra mafy nahazo azy. Azo eritreretina fa hanampy betsaka amin’ny fahafantarana ireo olon-dratsy, ny anton’ilay heloka bevava ny fihainoana ity ramatoa ity rehefa sitrana soa aman-tsara izy ka afaka ny hijoro vavolombelona. Tsiahivina fa tao an-tranony ihany ireo olona ireo no niharan’ny heloka bevava. Nohidina avy aty ivelany ny trano ary dia notontosaina tao anatiny ny famonoana azy mivady izay vao haingana no natao mariazy ary tokony hiala eto an-drenivohitra amin’ny fiandohan’ny janoary 2024 mba hipetraka any Toliara.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici