- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversFamonoana pasitera Karàna : Vehivavy “vietnamienne” tadiavin’ny polisy

Famonoana pasitera Karàna : Vehivavy “vietnamienne” tadiavin’ny polisy

Tamin’ny alakamisy teo no niakatra fitsarana ny raharaha namonoan’ny sasany pasitera karàna niseho taona vitsy lasa izay. Nalaina an-keriny ity mpitondra fivavahana ity ary nisy fotoana tsy nahitana azy. Rehefa izany, hita faty teny Andranotapahana izy, nifatotra tao anaty rano.

Taorian’ny nahitana ny razana dia nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Niroso lalindalina izany ka tonga hatrany amin’ny fisavana ny tranon’ilay maty. Nahitana antontan-taratasy maro misy fanekena trosa  tao anatin’ny valiziny ary anisan’izany ny an’ilay vehivavy “vietnamienne” izay karohana amin’izao fotoana izao. Ity farany ity moa, tsy nipoitra teny amin’ny fitsarana afak’omaly. Tamin’izany dia namoaka didy ny fitsarana ny hitadiavana azy sy ny fisamborana azy. Ny saziny dia 10 taona, asa an-terivozona. Ho an’ireo olona hafa miisa enina kosa, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba aminy, henjana ihany koa  ny didy satria voasazy hiasa an-terivozona enina taona avokoa izy ireo. Enina no isany.

Tsiahivina ny zavatra niseho tamin’ny fotoana nagalana an-keriny an’ilay mpitondra fivavahana: nisy ny fotoana nifanomezana teny amin’ny faritra Ambohitrarahaba tamin’izay. Nampiakarina tao anaty fiara ry zareo ka anisan’izany ilay Karàna. Voalaza fa nihazo ny lalàna nandeha teny Avaradrano izy ireo. Ankeviny tsy nifandray ny tadin-dokanga fa tao anaty fiara ihany no voalaza fa novonoiny ilay pasitera. Taorian’izany voa nariana tany anaty rano ny fatiny.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser