Taorian’ny fanadihadiana samihafa nentina namantarana ireo nahavita namono ireo inspekterana polisy telo namita iraka araka ny asany sy ara-dalana ary ara-panjakana ny 24 oktobra, tao Ambodihazinina Fenerivo atsinanana, dia nanao be midina tany amin’ity Tanana ity ny zandary sy ny polisy misahana ny heloka be vava ary ny FIP ny alatsinainy 03 desambra.
Efa teny am-pelantanan’ireo mpitandro ny filaminana ireto ny lisitry ny olona hosamborina, ka avy hatrany dia izay no notontosain’izy ireo ny alatsainy teo io, ary nahasamborana olona 21 nandritra izany ka isan’izany ilay fianakaviana nahatonga ny olana tamin’ny fiantsoany vahoaka nanao izao heloka be vava izao. Avy hatrany dia nentina teto Toamasina izy 21 mirahalahy ireto nanaovana ny fakana am-bavany azy ireo izay iarahan’ny polisy sy ny zandary manao, ka raha ny angom-baovao dia efa vita izany izao ka hiakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famontorana izao izy 21 mirahalahy, hamantarana ny heloky ny tsirairay tao anatin’iny vono olona tao Ambodihazinina kaominina Ambatoharanana Fenerivo atsinanana iny.
Raha ny angom-baovao natao dia resaka famonoana olona sy ny firaisana tsikombakomba tamina vono olona ny heloka manenjika azy ireo ankehitriny; ny angom-baovao hafa koa no nahafantarana fa miampy fihazonana basim-panjakana koa ny heloka manenjika azy ireo, satria hatreto dia mbola tsy hita ny basy nentin’ny inspektera Abdy tamin’izao famonoana azy telo lahy ireo.
Ao anatin’izay koa anefa dia lasa tanana haolo ny ao Ambodihazinina ankehitriny satria lasa nitsoaka any an’ala sy any amin’ireo tanana sy fokontany ary kaominina manodidina ny vahoaka; satria raha ny vaovao azo dia mbola hitohy ny fisamborana noho ireo lisitra eny am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana sy ny marina nambaran’ireo efa tratra.
Ankoatra izay dia mampiaka-peo ny fianakavian’ny maty mba hamoahana ny marina tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo iny, satria raha ny fitarainan’izy ireo dia mbola tsy hita sy tsy mbola nisy namerina ny finday fampiasan’ny inspektera Brilland, sy ny peratra mariazin’ny inspektera Haja, izay samy nisy nangalatra nandritra ny famonoana azy ireo. Mitaky sazy araka ny lalana ho an’izay rehetra namono sy mpiray tsikombakomba ny fianakavin’ireto maty.
Malala Didier