- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana polisy tao Fenerivo atsinanana : Mpandraharaha mpangalatra lavanilina nosavaina trano niteraka...

Famonoana polisy tao Fenerivo atsinanana : Mpandraharaha mpangalatra lavanilina nosavaina trano niteraka ny olana

Miteraka resa-be eo anivon’ny fiarahamonina tsy ao Fenerivo atsinanana sy Toamasina ihany, fa manerana ny Nosy mihitsy ilay famonoan’ny olona ireto polisy telo lahy voairaka nanao asa tao Ambodihazinina Fenerivo atsinanana, ny alarobia teo. Tsy iza izy ireo, fa ny inspektera isany Andriamahefantsoa Hajarinofy, i Be Jacques Abdi, ary i Ndrasana Briand Simon.

Taorian’ny tranga niseho ity, dia nentina nanaovana fizahana teo anivon’ny hopitaly ben’i Fenerivo atsinanana izy telo lahy namantarana ny tena antony nahafaty azy ireo; ka ny alakamisy maraim-be tamin’ny 4ora no tonga teto Toamasina ny vatana mangatsiakan’izy telo lahy. Nampandalovina sy nandrasana tao amin’ny biraon’ny tale provensialin’ny polisy eto Toamasina izy ireo, omaly alakamisy mialoha ny nakan’ny fianakavian’izy ireo avy nomem-boninahitra amin’ny maha-polisy inspektera maty am-perinasa azy telo lahy ireto. Omaly ihany dia nentin’ny fianakaviany nihazo an’i Mahanoro ny inspektera Abdi, nentina nihazo an’Antananarivo ny inspektera Haja, raha mijanona eto Toamasina kosa ny inspektera Briand.

Nanana taratasy mazava tamin’ny hiraka nampanaovina azy ireto polisy ireto, hoy ny tale provensialin’ny polisy Toamasina ny Kaomisera divizionera Ramampandry Nicolas, koa tsy maintsy hisy ny fanadihadiana hataon’izy ireo hamantarana ny tena tompo-marika tamin’izao famonoana polisy am-perinasa sy manao ny asa ara-dalana ary nomen’ny lalana azy izao. Resaka mpandraharaha mpangalatra lavanilina nahazoan’ny polisy ekonomika fitarainana no nanaovana ny iraka, nefa izao fitsaram-bahoaka izao no nitranga noho ity mpandraharaha niantso vonjy indray nandritra ny fakana am-bavany azy sy ny fisavana ny tranony. Nilaza kosa ny tale provensialin’ny polisy Toamasina, fa tsy mbola misy ny fisamborana hatreto, satria mbola mandeha ny fanadihadiana, sy mbola mikarakara ireo namany maty izy ireo.

Ankoatra izany, araka ny angom-baovao natao ihany dia ilay mpandraharaha ahiahiana tamina halatra lavanilina indray no niantso vahoaka tamin’ny fahatongavan’ny polisy nanao ny fakana am-bavany sy nisava ny tranony ; izay niaraka tamin’ny filoham-pokontany nandritra izany. Nampangain’ny fokonolona ho jiolahy ireto polisy manao ny asany ireto na efa nampiseho ny taratasy sy ny karatra maha-polisy azy ary efa nohamafisin’ilay filoham-pokontany aza noho ny fandrisihana nataon’ilay mpandraharaha lavanilina. Teo dia tsy nisy intsony ny alaharo, fa avy hatrany dia daroka no natao, tafatsoaka nandritra izany i Briand sy i Abdi, saingy tao anaty ala na kafe no tratran’ny fokonolona i Briand ka notaritarihin’izy ireo, efa lasa kilaometatra maromaro kosa vao niverina hamonjy ny namany i Abdi. Izay no nahatonga azy telo lahy ho niara-maty nandritra izao raharaha Ambodihazinina Fenerivo atsinanana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici