Afaka misento kely indray aloha ny ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Olona telo izay voalaza fa raindahiny amin’izany mantsy no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany tao Toamasina ny alarobia lasa teo, tao Mangarivotra Atsimo. Anisan’ireto voasambotra ireto ny tompon’antoka tamin’ilay famonoana sy fitifirana pôlisy nitranga tany an-toerana volana vitsivitsy lasa izay.
Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena dia tany amin’ny volana febroary no niainga ny fanadihadiana tamin’ny fahatraratrana jiolahy iray nanao fanafihana mitam-piadiana. Basy kalach miisa telo no tra-tehaka tany amin’ity ranamana ity. Rehefa natao ny famotorana azy dia nanoro ny namany izy ka fantatra fa ilay jiolahy rain-dahiny efa ela nokarohina, fantatra amin’ny anarana hoe Antoina Juils, no namany. Ity farany ihany koa, araka ny voalaza, no atidoha nikotrika ilay fitifirana ka nahafaty pôlisy ny voalohan’ny taona lasa teo. Nanomboka teo ny angom-baovao isan-karazany nitadiavana ity olon-dratsy ity niaraka tamin’ireo namany. Nahitam-bokany tokoa izany satria ny alarobia lasa teo tokoa dia nisy jiolahy telo voasambotra tao Mangarivotra Atsimo. Na dia nisy aza ny karapanondro sandoka nampiasain’ny iray tamin’ireo olon-dratsy dia voamarina ihany fa ilay mpamono pôlisy, Antoine Juils, efa nifampitadiavana ny iray tamin’izy ireo. Tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay araka izany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena ny amin’ny fanomezam-baovao, mba hamongorana tanteraka ity resaka asan-jiolahy mampihorohoro ny mponina ity, tsy an-tanan-dehibe, tsy ambanivohitra.
m.L