- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana sinoa mpivady teny Ivato : Nadoboka any Tsiafahy avy hatrany ny...

Famonoana sinoa mpivady teny Ivato : Nadoboka any Tsiafahy avy hatrany ny telo tamin’ireo voarohirohy

Efa tany amin’ny sivy ora alina mahery kely tany ho any vao vita ny fihainoana ireo olona sivy mianadahy, sinoa fito sy vehivavy malagasy roa, teny anivon’ny Fampanoavana Anosy omaly. Olona izay voarohirohy tamin’ny famonoana ireo sinoa mpivady tao amina hôtely iray teny amin’iny faritra Ivato iny. Taorian’ny ora maro nihainoan’ny mpitsara azy ireo dia fantatra fa ny telo tamin’ireto sinoa dia nadoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy miandry ny fotoana hitsaràna azy ireo. Anisan’izany i Shao Wei, ilay tovolahy teratany sinoa, isan’ny nandray anjara nivantana tamin’ny famonoana azy ireo, ary niaiky izany rahateo nandritra ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana azy. Ireo olona enina ambiny kosa raha ny fantatra dia nomen’ireo mpitsara famotorana fahafahana vonjimaika. Tsiahivina fa tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoana ireto terantany sinoa ireto. Sady nokapohina tamin’ny maritoa no mbola notsindromina sy nokapaina tamin’ny antsibe. Ireto fitaovana ireto dia efa novidiana mialoha tao amina tranombarotra iray, araka ny famotorana natao tamin’ireo voarohirohy hatrany. Antony nilazan’ireo mpanao fanadihadiana efa nomanina mialoha ity vono olona feno habibiana ity. Ny anton’izany dia tsotra ihany, fitsiriritana ny volabe tany amin’ireto olon-droa ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici