Tafakatra enina ny olona nampidirina am-ponja mahakasika ilay famonoana vehivavy antsoina hoe Beby Sinoa, teny Alarobia, ny herinandro lasa teo. Raha ny marina kokoa, fito izy ireo no nampangaina tamin’ity raharaha ity, fa maty voatifitra ny iray tamin’ny fotoana nisamborana azy. Nihazakazaka ny raharaha. Raha vao fantatra fa nisy namono ilay vavy antitra, nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana. Ireo roa vavy mpanampy azy aloha no nosamborina ary natao famotorana. Ny vaovao no nahafantarana fa avy tamin’izany no nahalalana ireo rehetra voarohirohy tamin’ity vono olona ity. Niasa tsy nijanona ireo mpitandro filaminana niezaka ny hamantatra ny tena zavatra nisy tamin’io alina nahafaty an’ilay sinoa io. Nisy ny fanaraha-maso olona vitsivitsy. Rehefa tonga anefa ny fotoana nisamboarana, nandositra ny iray ary tamin’izany no nahavoatifitra azy. Azo kosa ny efatra. Manamarika ny mpitandro filaminanana, fa amin’ireo efatra voasambotra : ny roa mpividy halatra ary ny roa ambiny anisan’ny niray tendro tamin’ny famonoana. Raha atotaly izany dia enina ireo nogadraina, izy efatra hita amin’ny sary sy ireo mpanampy roa efa nogiazana tamin’ny herinandro.
r.s.