- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana sinoa tetsy Behoririka : Tafakatra efatra ireo voasambotra

Famonoana sinoa tetsy Behoririka : Tafakatra efatra ireo voasambotra

Omaly no natolotra tetsy amin’ny Fampanoavana tetsy Anosy ireo olona efatra mianadahy voarohirohy tamin’ny famonoana terantany sinoa iray tetsy Behoririka ny herinandro lasa teo. Adim-pamataranandro maromaro ihany no nihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo ary tamin’ny ora nanoratanay aza dia mbola tsy nivaly izany.

Tsara marihana tokoa fa tsy nijanona tamin’ireo olona telo voalaza ny fisamborana nataon’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava fa nisy lehilahy iray faninefany, izay voasaringotra ihany koa tamin’ity raharaha ity. Araka ny fampitam-baovao azo dia anisan’ireo olona nitondra sy nanary ny vatana mangatsiaka an’ilay terantany sinoa tany Ampitatafika ity farany. Tsy sarotra tamin’ireo mpanao fandihadiana tokoa mantsy ny nikaroka azy ireto, raha ny vaovao azo hatrany. Ilay vehivavy, nivarotra tao amin’ilay tsena, nandritra ny nanantanterahan’ireto roalahy ny asa ratsiny tany amin’ny fitoeran’entana no voasambotra voalohoany. Ity farany, izay niaiky tanteraka ny firaisany tsikombakomba tamin’ireo mpamono no nanoro ireo roalahy hafa. Voasambotra tany amin’iny faritra Vakinankaratra tany moa ireto farany, raha tetsy amin’ny Fasan’ny karàna ilay lehilahy fanintelony.

Raha tsiahivina dia tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoan’ireto mpiasa ireto ny mpampiasa azy, ny andron’ny 22 janoary lasa teo. Raha mbola variana naka entana iny mantsy ity sinoa ity no notsatotsatohan’izy ireo ny antsy ny tendany.  « Raha hitan’izy ireo fa mbola tsy maty tsara dia notsondromin’izy ireo tamin’ny seringue feno rano mangatsiaka. Nofonosan’izy ireo baoritra ilay sinoa rehefa maty, ary noentin’izy ireo tamin’ny sarety kely miaraka tamin’ireo entana maro be izay nangalarin’izy ireo » , raha ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Teny amin’iny faritra Ampitatafika iny moa no nanafenan’izy ireo ny vatana mangatsiaka an’ity sinoa 52 taona ity.

Taorian’iny toe-draharaha iny dia niteraka resabe teny an-toerana, teny Behoririka ity resaka ity. Bibilava sy olona hatreto ireo mpiasa sy mpampiasa eny an-toerana, raha ny hevitry ny maro. Mety maro amin’ireo terantany sinoa mampiasa gasy mantsy no ho mailo tanteraka ary mety ho betsaka amin’ireo mpiasa malagasy ihany koa no hatahotra ny valifatin’ireo mpampiasa azy, hoy hatrany ny resaka mandeha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici