- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana sinoa vavy : Teratany sinoa niaraka tamin’ny sipany naiditra am-ponja

Famonoana sinoa vavy : Teratany sinoa niaraka tamin’ny sipany naiditra am-ponja

Mbola tsy tapitra akory fa mitohy hatrany ny fanadihadiana mikasika ilay famonoana sinoa vavy, niseho ny andron’ny 17 jolay lasa teo, tetsy Soamanandrariny. Fantatra ary, araka ny loharanom-baovao marim-pototra, fa nanao fanadihadiana lalina ny teny anivon’ny Fitsaràna Anosy. Lehilahy iray, teratany sinoa, izay voalaza fa nifankatia tamin’ilay sinoavavy fony fahavelony, niaraka tamin’ny vehivavy iray, sipan’ity lehilahy ity amin’izao fotoana, no nampanantsoina teny ny alarobia lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana lalina natao azy ireo dia fantatra fa nalefa eny Antanimora avy hatrany izy ireo, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia toa hoe tsy tonga niatrika io fotoam-panadihadiana azy io ilay sinoa lahy fa tsy maintsy nalaina tany an-tranony. Ilay vehivavy voarohirohy fotsiny, araka izany, no tonga teny amin’ny Fitsaràna. Raha ny fantatra dia ny 27 aogositra lasa teo no nandefasana ny raharaha teny anivon’ny Fampanoavana. Lehilahy malagasy roa, voalaza ho tompon’antoka tamin’ilay famonoana, no nalefa eny Tsiafahy avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsarana azy, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona am-polony ambiny, ka anisany ireto mpifakantia roa ireto. Voalaza tamin’izany fotoana izany fa mbola misy ny olona karohina, izay atidoha nikotrika iny famonoana iny. Tsiahivina fa ny 17 jolay lasa teo no hita faty, voarasarasana sabatra, tao anatin’ny fiara tsy mahataho-dalana ny sinoa vavy iray. Nisy volabe nentin’ity ramatoa ity ny andro talohan’ny nahitana ny razana kanefa hatramin’izao dia mbola tsy fantatra izay nanjavonany. Nanomboka teo ny fanadihadiana natao tamin’ity raharaha ity ka nahafahana nisambotra ireo roalahy voalaza etsy ambony. Mbola mitohy foana araka izany ny fikarohana ny marina rehetra momba iny tranga iny. Ny tompon’antoka hatreto dia mbola miriaria any anaty natiora rehetra any, angamba mety miaraka amin’ireo volabe.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser