Taorian’ ny famotorana sy fanadihadiana natao teo anivon’ny Zandarimaria sy ny Fitsarana tao Toliara, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ireo Zandary efatra ; izay voarohirohy ho nanao herisetra ka nitarika fahafatesana tovolahy iray tany Sakaraha, ny alatsinain’ ny Paska teo. Nanatitatitra ny avy eo anivon’ny Zandarimaria, araka ny fampitam-baovao, fa tsy misy ny tsimatimanota, tsy maintsy ampanjakaina ny lalàna velona hanatanterahana ny teny filamatra « Tanindrazana sy lalàna », ary na iza na iza dia tohizana hatrany ny fanadiovana anatin’ny Zandarimaria mba ho an’ny fahalemana sy ny tombontsoa iombonana. Natao ihany koa izao, hoy hatrany ny avy ao amin’ny Zandarimaria mba ho anatra hoan’ ireo mpiara-miasa alaim-panahy mbola mandika lalàna. Raha ny tati-baovao voaray hatrany, dia efa tafakatra 34 ny isan’ireo Zandary nampidirina am-ponja nandritra ny telo volana farany.
Eric Manitrisa