Mahakasika ilay famonoana zandary tamin’ny fomba nahatsiravina, tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’Anjiajia, distrikan’Ambato Boeny, mandroso dia mandroso tokoa ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Hatreto, misy 26 ireo olona voasambotra noho io raharaha io, izay 21 no lehilahy ary 5 kosa no vehivavy. Raha zohina ny zava-niseho, zandary roa no lavo am-perinasa, maty norasarasain’ireo dahalo tamin’ny antsy lava nandritra ny fanarahan-dia omby very ny alin’ny 13 jolay hifoha ny 14 jolay lasa teo rehefa avy nifandona tamin’ireo olon-dratsy ireo. Nahitana Diana antsy lava ny tongotra sy ny lohan’ireo zandary. Voamarina ihany koa fa notifirina ireo zandary ireo. Efa nisy sahady ny olona voasambotra roa andro monja taorian’ny famonoana azy ireo ary ankehitriny, noho ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny zandary sy ireo olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao sy ny ezaky ny zandary tamin’ny fanadihadiana sy ny famotorana notanterahin’izy ireo, dia efa tafakatra 26 be izao ny olona ahiahiana sy nosamborina tamin’izao raharaha famonoana zandary tamin’ny fomba feno habibiana izao. Nanao fisafoana tamina tanàna iray mihitsy ny zandary ka natory niaraka tamin’ny fokonolona tany an-toerana mba hahitana ny tena marina tao ambadik’izao. Vokany : voasambotra ny olona 26. Tokony ho nandalo Fampanoavana any Maevatanàna omaly ny raharaha, saingy noho ny tsy fahafenoan’ny vaovao sy valin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, dia fantatra fa hahemotra anio izany. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny.
Niony H.