- Publicité SW45 -
mardi, mars 11, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana zandary tany Mananjary : Tafakatra 50 isa ireo olona nosamborina sy...

Famonoana zandary tany Mananjary : Tafakatra 50 isa ireo olona nosamborina sy nohenoina

Ny alakamisy teo ihany dia efa nandeha ny fisamborana sy fihainoan’ireo vahoaka, izay namono nahafaty zandary “Chef de poste” iray sy nandratra ny namany. Fantatra ary, araka ny loharanom-baovao avy eny anivon’ny zandary fa tafakatra 50 ireo olona nosamborina sy nohenoina tamin’ity resaka ity. Misy amin’izy ireo, hoy ny fanazàna, ireo nandray anjara nivantana, nisy kosa ny vavolombelona tamin’izany. Fantatra ihany koa fa nopotehin’ireo fokonolona tanteraka ity “poste avancé” tany Namorona ity. Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay trano. Na izany na tsy izany, tsy nisy very ireo zavatra rehetra tao anatiny, na ny fitaovam-piadiana izany na ny fitaovana hafa. Naverin’ireo fokonolona tany amin’ireo zandary tonga tany ny basy sy ny bala tao amin’ity birao ity. Tsiahivina fa ny marainan’ny alakamisy teo no nitrangana savorovoro tany amin’ity tanàna ity, rehefa nitaky olona voantondro ho mpandoro trano, nosamborin’ny zandary ireo fokonolona. Nokasain’izy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka ity olona ity. Tsy namaly ny hetahetan’ireo vahoaka marobe anefa ireo mpitandro filaminana satria efa nalefa nampiakarina any Mananjary ilay olona, hatolotra ny Fampanoavana. Tezitra tamin’izany ireo fokonolona ka ireto zandary roa ireto sy ny birao fiasàna no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Namoy ny ainy vokatr’izany mihitsy moa ny Lehiben’ity “poste” ity, naratra mafy kosa ilay namany. Ity farany dia efa nalefa notsaboina any amin’ny hôpitaly Ampasimanjeva, hoy ny vaovao hatrany. Nampiakarina ao Mananjary kosa ny vatana mangatsiakan’ity mpitandro filaminana lavo teo am-panantanterahana ny asany ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici