- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana zandary tany Mananjary : Tompon’andraiki-panjakana iray nosamborina

Famonoana zandary tany Mananjary : Tompon’andraiki-panjakana iray nosamborina

Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fisamborana taorian’ilay savorovo nahafaty zandary iray « Chef de poste » tany Namorona Mananjary ny herinandro lasa teo. Fantatra ary izao fa tao anatin’ireo olona am-polony maro nohenoina dia valo tamin’ireo ihany no notanan’ny zandary. Nanampy azy ireo dia fantatra fa nisy tompon’andraiki-panjakana iray nosamborina sy notanana ihany koa. Voarohirohy ho isan’ny tompon’antoka tamin’ity savorovoro nataon’ny fokonolona, ary niafara tamin’ny famonoana sy fandratràna zandary ity izy, raha ny vaovao azo. Hatreto ihany koa dia mbola misy olona telo hafa karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Ireto farany dia nambara fa isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny famonoana ilay « chef de poste », zandary kilasy faharoa, antsoina hoe Fanambina Marcellin. Araka izany, toa mbola ho lavitra vao  tena hikombona tanteraka ity resaka mpitandro filaminana niharan’ny fitsaram-bahoaka ity. Tsiahivina moa fa olona mpandoro trano nosamborin’ny fokonolona ary natolotra ny zandary no niavian’izany savorovoro izany. Niova hevitra tampoka ireo olona nahatratra rehefa nisy nandrisika, ka nitaky ilay olona hatao fitsaram-bahoaka indray. Efa mailo tamin’izany fiovam-pihetsika izany anefa ireto mpitandro filaminana, ka nandefa avy hatrany ilay olona voarohirohy, hanaovana fanadihadiana any Mananjary. Tezitra tamin’io ireo fokonolona ka ireto zandary ireto indray no niharan’ny hatezeran’izy ireo, nasolony an’ilay olona, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Ary izao niafara tamin’ny aina nafoy izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici