Tsy mbola nisy nipika hatramin’ny omaly ny votoatin’ny fanadihadiana ireo olona 33 izay nosamborina rehefa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny zandary iray miasa ao Antsohihy. Notazomin’ny mpanao fanadihadiana ho tsiambaratelon’ny famotorana rahateo izany. Etsy andanin’izany, fantatra koa fa voasambotra ny iray tamin’ireo olona telo izay antony niatombohan’ny loza. Ny fisamborana an’ireo, raha tsiahivina kely, no niteraka olana satria nangataka ny olona ny hamotsorana azy ireo ary nanery ny hanomezana ny anaran’ny olona mpitory ireo nosamborina. Rehefa tsy nanaiky izany ny zandary ary nanazava fa fanatontosana ny baikon’ny fitsarana fotsiny ihany no anton-dian’izy ireo, dia navadiky ny olona ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpitory ireo mpitandro ny filaminana. Teo ary dia izy ireo indray no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tamin’ny endrika feno habibiana no namonoana ny iray izay voatazon’ny olona. Nalentika tao anaty rano ny lohany ary mandra-pahatapitry ny ainy dia naverimberina izany. Soa fa nahavita nampandre an-telefaonina ny biraony ireo zandary ary ireo no nanavotra faran’izay haingana ireo namany. Teo dia nandeha ny fisamborana ireo olona 33. Misesy tanteraka ny fitsaram-bahoaka ao an-toerana ary tena atahorana. Raha mbola tsy nilamina akory iny raharaha iny, dia nisy olona iray hafa indray voasambotry ny olona ary notapahin-doha. Izany no lasa iainana any amin’ny manodidina an’Antsohihy ankehitriny. Ny mpitandro ny filaminana misy mamono ary ny olon-tsotra vonoin’ny olon-tsotra.
D.R