- Publicité -
lundi, février 23, 2026
AccueilFaits-DiversFamotsiam-bola : Mpiasa efatra an-dRavatomanga MD

Famotsiam-bola : Mpiasa efatra an-dRavatomanga MD

Niakatra teo anivon’ny fampanoavan’ny trobonaly miady amin’ny kolikoly (Pôle Anti-Corruption) ny olona enina miasa eo anivon’ny orinasan’i Mamy Ravatomanga. Mahakasika ny famotsiam-bola azo avy amin’ny fanondrànana Litchis tsy ara-dalàna no niampangàna azy ireo. Vidina faran’izay mora ireo voankazo, satria bahanany ny orinasa hafa tokony hividy izany. Io endrika fibodoana io no nitsanganan’ny ministera efatra amin’izao fotoana amin’ny fanenjehana. Misy orinasa maro eto an-toerana sy any Maurice no miandraikitra ny lalam-barotra rehetra ary ireo dia mbola an’ny olona voatonona hatrany. An-taonany maro no nisehoan’izany ka nahatonga ny sehatry ny famarotana litchis ho lavo tanteraka. Imbetsaka izay ariam-potsiny ny voankazo, satria rehefa tsy tafiditra ao anatin’ilay mpividy mibodo, dia tsy misy mpaka intsony noho ny fahafatesan’ny orinasa hafa mpiantsehatra. Nivadika ho raharaham-pitsaràna izany ankehitriny ary ankoatra ny famonjàna ny mpiasany dia namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena koa i Mamy Ravatomanga, raha araka ny fampitam-baovaon’ny PAC.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici