Vehivavy no ao ambadika, isan’ireo mpamotsy taratasin’omby halatra. Niara-voasambotry ny zandary tamin’ireo dahalo sy mpandray ireo omby halatra, tany amin’iny distrikan’ Arivonimamo iny.
Raikitra ny « fanadiovana » ! Tsy nijanona ho resaka ambony labatra fotsiny ihany ny paik’ady nentin’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, hiadiana amin’ity resaka halatr’omby ity. Araka ny fanazavana nomen’izy ireo mantsy, dia hisy ny hetsika manokana nampitondraina ny anarana hoe « Mandio » ataon’izy ireo. Hitsimponana ireo dahalo mpangalatr’omby fa indrindra indrindra ireo dahalo ambony latabatra, mpanadio ireo omby halatra amin’ny alalan’ny taratasin’omby sandoka no tanjona.
Efa nanomboka elaela ihany ity hetsika ity ary tany amin’iny faritra Bongolava iny no nanombohana izany. Niitatra ao amin’ny faritr’Itasy izany amin’izao. Ary efa nody ventiny sahady ny rano nantsakaina. Olona valo no fantatra fa voasambotra. Ireo dahalo tena mpangalatra, vosambotra tany amin’iny kaominina Amboanana iny, distrikan’Arivonimamo. Ireo mpandray halatra kosa dia tra-tehaka tany Ambatofotsy sy Alatsinainy Bakaro. Ambonin’izay, dia fantatra araka ny fampitam-baovao azo, fa vehivavy monina any amin’iny distrikan’ Andramasina no mpanome FIB (taratasin’omby) sy pasipaoro sandoka ireo omby avy nangalarin’ireo malaso. Noraisim-potsiny izy ireo rehefa nofitahina.
Mbola mitohy hatrany moa ity hetsika ity ary ezahiana hoy ireto tompon’andraikitra ny hanitatra izany any amin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo. Ireto olona voasambotra ireto kosa, dia hatolotra ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovana.
m.L