Fifandonana tamin’ny dahalo tao Masokoamena, Ambatoboeny no nahavoatifitra ity miaramila mahery fo, lavo an-tanim-piadiana ity, ny alin’ny alarobia lasa teo.
Vao andro vitsy monja izay no nanomboka ilay hetsika fampandrian-tany amin’ny resaka asan-dahalo tany amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Fantatra anefa izao, fa efa nisy iray tamin’ireo miaramila nalefa tany an-toerana no nody sahady tanaty vata. Raha ny fampitam-baovao azo, dia nisy fifandonana mahery vaika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Masokoamena, fokontany Ambohitromby, kaominina ambanivohitra Andranomamy, any amin’iny distrika Ambatoboeny iny, afak’omaly alina. Nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ireto mpitandro filaminana ireto mantsy, tamin’io fotoana io, no nifanehitra tampoka tamina fololahy nampiahiahy izy ireo. Raha niezaka nanatona hisava izany olona izany ireto andiana mpitandro filaminana ireto no namoaka basy ireto olon-dratsy ary nitifitra avy hatrany. Izany tifitra tampoka izany no nahavoa ilay miaramila ary nahalavo azy. Tetsy andanin’izay, dia namaly tifitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana, nitatatata ny basy namaky ny fahanginan’ny alina. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia voalaza fa nisy iray tamin’ireo dahalo no nianjera, izay inoana fa maty, ary nisy hafa ihany koa, izay mitotaly teo amin’ny telo teo no naratra. Saingy tsy hita moa ireo fa samy nentin’ny namany avokoa, tao anatin’ny fitsoahana rehefa hitan’izy ireo fa tsy voatohitra ireto miaramila tsara hofana, mifanandrina amin’izy ireo. Teo no nizara ireo mpanao fisafoana ka tao ireo nanohy ny fanarahan-dia ireo andian-dahalo ary tao kosa ireo voatery niverina nitondra ny vatana mangatsiakan’ny naman’izy ireo tany amin’ny toby. Nampakarina tao Maevatanana omaly moa ity mahery fo ity, ary raha tsy misy ny fiovana dia omaly hariva ihany dia efa nentina niakatra taty an-dRrenivohitra.
m.L / Ratantely